Volley – Lalaon’ny Nosy: Fandresena ho an’ny lehilahy, mila ezaka ny vehivavy

  • lundi, 22 juillet 2019 09:55
  • Sary nindramina

Andro voalohany ho an’ny mpilalao voley omaly alahady amin’ny Lalaon’ny Nosy. Nandresy an’i Maldives tamin’ny seta 3 noho 0 i Madagasikara teo amin’ny sokajy zazalahy. Niondrika tamin’ny seta 1 noho 3 nanoloana an-dry zareo Maorisianina mpampiantrano kosa ny Malagasy teo amin’ny sokajy zazavavy.

Tao amin’ny kianja mitafon’i Pandi Sahadeo ao Vacoas no natao ny lalao. Tonga nanohana ny ekipa malagasy tamin’izany ny filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady sy ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Tinoka Roberto.

Nanamaloka ny fifaninana ho an’ny sokajy vehivavy, ny tsy namelan-dry zareo Maorisianina hanitsaka ny taniny, ilay teratany frantsay Jean Michel Roche, mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasy sokajy vehivavy, noho ity farany voalaza fa manana olana ao Maorisy. Efa mpanazatra tany Luxembourg sy Seychelles izy, talohan’ny nanankinana aminy ny ekipam-pirenena malagasy.

Léa Raharimalala no mandray an-tanana ny ekipa vehivavy manoloana io olana io.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.