Kitra – CAN 2019: Ireo tarehimarika tsara ho fantatra

  • lundi, 22 juillet 2019 09:40

Nivalona tanteraka ny ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra andiany faha-32 na Total CAN 2019, natao tao Egypta ny 21 jona ka hatramin’ny 19 jolay 2019.

Sambany tamin’iny CAN iny no 24 ny isan’ireo ekipam-pirenena nandray anjara.

52 ny isan’ny lalao vita, ka ny 39 nisy mpandresy, raha nirava ady sahala ny lalao ambiny niisa 13.

102 ny isan’ny baolina maty nandritra ny CAN, ary io no be indrindra tao anatin’izay andiany 32 vita izay.

Niisa 171 ny karatra mavo nozarain’ny mpitsara, ary 5 ny karatra mena.

I Alzeria no nandrombaka ny Amboara tamin’ity CAN 2019, fanindroany no nahazoany an’io anaram-boninahitra io taorian’ny taona 1990.

Nahazo ny medaly volafotsy, resy tamin’ny famaranana i Senegal. Laharana fahatelo kosa i Nizeria. Teo amin’ny laharana faha-6 tamin’ireo ekipam-pirenena niisa 24 nifaninana tamin’iny CAN 2019 iny i Madagasikara.

Nahatratra 1 083 311 ny isan’ny mpijery nivantana tamin’ireo lalao niisa 52 tontosa nandritra iny CAN andiany faha-32 iny.

Any Cameroun indray ny andiany manaraka afaka roa taona.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.