Fifanintsanana – CAN 2021: Iray vondrona i Côte d’Ivoire, Madagasikara, Niger ary Etiopia

  • jeudi, 18 juillet 2019 22:36
  • Sary nindramina

Notanterahina androany tao Caire, renivohitr’i Egypta ny fisarihina hahatongavana amin’ny dingana famaranana ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra, andiany faha-33 hatao any Cameroun amin’ny taona 2021.

Nozaraina anaty vondrona miisa 12, izay ahitana ekipa 4 avy ny mpifaninana, ka izay tafavoaka amin'ny lalao savaranonando mandroso sy miverina ny efatra amin'ireo.

Tafakatra avy hatrany amin’ny dingana famaranana i Cameroun noho izy mpampiantrano. Mandritra ny enina andro, lalao mandroso sy miverina, ny fifanintsanana anaty vondrona hahazoana ny tapakila ho any Cameroun.

Ekipa roa isaky ny vondrona aorian’ny enina andro ifanintsanana no tafakatra amin’ny dingana famaranana.

Tafaraka ao amin’ny Vondrona K i Côte d’Ivoire, Madagasikara, Niger ary Etiopia. Amin’ny 11 novambra 2019 ny andro voalohany amin’ny fifanintsanana, ary tanterahina eo anelanelan’ny 9 ka hatramin’ny 17 novambra 2020 kosa ny andro farany, hamantarana izay ekipa roa isaky ny vondrona tafita ho any Cameroun.

Hatao ny 7 sy 15 oktobra 2019 kosa ny lalao savaranonando mandroso sy miverina atrehin’ireo ekipam-pirenena valo (Liberia, Maorisy, Tchad, Sao Tomé, Djibouti, Gambia, Soudan Atsimo ary Seisela), ka ny efatra tafita amin’ireo no mameno ho 24 ireo ekipa hifaninana amin’ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra taona 2021.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.