“Rallye de Mangoro 2”: Norombahan’ny ekipazy Tahina sy Ranto

  • dimanche, 14 juillet 2019 19:13
  • Sary nindramina

Nanjakan’ny fiara Subaru ny « Rallye de Mangoro » andiany faha-2 tao Moramanga, natao ny alakamisy 11 jolay ka hatramin’ny omaly sabotsy 13 jolay.

Norombahan’ny ekipazy Razafinjoelina Tahina sy Ramarokoto Ranto, avy amin’ny klioba ASACM, ity dingana faha-4 amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny hazakazaka fiarakodia ity.

Nanaraka teo amin’ny laharana faharoa ny ekipazy Randrianarivony Rivo sy Randrianarivony Ando, tara 34 segondra taorian'ny fiara voalohany, narahan’ny ekipazy Rakotomalala Sitraka sy Rakotomalala Rado, tara 41 segondra. Samy avy amin’ny klioba FMMSAM ireto fiara roa ireto.

22 tamin’ireo fiara 30 nandray fiaingana no tonga hatramin’ny farany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.