Kitra – CAN 2019: Hatao amin’ny 14 jolay ny lalao manasa-dalana

  • vendredi, 12 juillet 2019 12:42

Fantatra avokoa ireo ekipa efatra tafakatra amin’ny lalao manasa-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra, andiany faha-32. Sénégal, Alzeria, Nizeria ary Tonizia.

Tanterahina ny andron’ny alahady 14 jolay avokoa ireo lalao manasa-dalana roa, dia Sénégal sy Tonizia andaniny, ary Alzeria sy Nizeria ankilany.

Amin’ny 17 jolay ny lalao fiadiana ny laharana faha-3, amin’ny zoma 19 jolay kosa ny lalao famaranana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.