Kitra-CAN 2019: Miantona ny fitantarana baolina ao amin'ny RNM

  • vendredi, 28 juin 2019 21:55

Nanao fanambarana ny ORTM, androany, mampahafantatra ny besinimaro fa misy orinasa iray milaza ho hany tokana nahazo ny alalana tany amin'ny CAF amin'ny fitantarana mivantana ny lalaon'ny CAN amin'ny onjampeo, ka nandrarany ny RNM tsy ho afaka manao izany fitantarana mivantana izany.

Manoloana izany dia naka ny hevitry ny CAF ny RNM satria ny CAF no nanao sonia fifanarahana taminy, ka mandra-piandry ny valinteny avy any dia miantona aloha ny fitantarana mivantana ireo lalaon'ny CAN ao amin'ny Radio Nasionaly Malagasy (RNM).

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.