Kitra-CAN 2019: Madagasikara 2 - 2 Guinée

  • dimanche, 23 juin 2019 14:50
  • Sary nindramina

Nirava ady sahala 2 noho 2 ny Barea Madagascar sy Guinée tamin'ny lalao voalohany natrehin'ny ekipa roa tonta ao amin'ny Vondrona B amin'ny CAN 2019.

Nanokatra ny isa i Guinée, avy eo nosahalain'ny Barea. Nitarika 2 noho 1 i Madagasikara. Penalty no nahazoan'i Guinée ny baolina faharoa sy nampitovy ny isa.

Abel Anicet, mpilalao malagasy, no voahosotra ho mpilalao mendrika tamin'io lalao alina tao amin'ny Kianjan'i Alexandrie io.

Amin'ny alakamisy 27 jona ny lalao faharoa anaty Vondrona B hatrehin'i Madagasikara hifandonana amin'i Burundi.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.