Tony Parker: Hiato amin’ny maha mpilalao baskety azy

  • mardi, 11 juin 2019 14:49
  • Sary nindramina

Nanao fanambarana, omaly, ilay kalaza frantsay Tony Parker fa hiato tsy ho mpilalao baskety intsony.

37 taona ny lehilahy ankehitriny, 20 taona nilalaovana teo amin’ny sehatry ny baskety avo lenta, ka ny 18 taona tamin’io tao amin’ny NBA tany Etazonia. Mpilalao, mpandrindra tao amin’ny klioban’ny San Antonio Spurs i Tony Parker nandritra ny taom-pilalaovana 17, izay nahazoany anaram-boninahitra efatra tamin’ny taona 2003, 2005, 2007 ary 2014.

Tao amin’ny Charlotte Hornets no namaranana ny maha mpilalao baskety azy.

Voahosotra ho mpilalao baskety eoropeana mendrika tamin’ny famaranana ny fifaninanana NBA ny taona 2007 i Tony Parker. Efa in’enina voafantina handrafitra NBA All-Star Game ihany koa izy, dia ny 2006, 2007, 2009, 2012, 2013 ary 2014.

In-181 nisalotra ny akanjon’ny telosoratra frantsay i Tony Parker, niaro ny voninahitr’i Frantsa. Nahazo medaly volamena tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Eorôpa tamin’ny 2013, medaly alimo tamin’ny 2015.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.