Emiliano Sala: Hita ao ambany ranomasina ny fiaramanidina nitondra azy

  • lundi, 04 février 2019 16:36
  • Sary nindramina

Nanao fanambarana ny fitondrana Britanika fa hita ao amin'ny faridranomasin'ny nosy kely Guernesey ny fiaramanidina nitondra ity mpilalao baolina kitran'ny Nantes ity, izay amonjy ny kilioba vaovao naka azy.

Misy vatana mangatsiaka iray no tazana ao anaty fiaramanidina, ao ambany ranomasina, fa mbola tsy fantatra na ny an'i Sala na an'ilay mpanamory ny fiaramanidina.

Raha tsiahivina moa dia ny alin'ny alatsinaina 21 janoary hifoha ny talata, dia tsy hitan'ny radar intsony ny fiaramanidina nitondra an'ity mpilalao baolina kitra malaza Argentin, Emiliano Sala, ao amin'ny FC Nantes ity.

Niala tao Nantes France izy hiazo an'i Cardiff no izao tra-doza nidoboka an-dranomasina Guernesey-Aurigny, tao amin'ny nosy anglo-normandes, teo amin'ny 8ora alina, izay tokony higadona tao Pays de Galles tamin'ny 9 ora alina.

I Emiliano Sala moa dia mpampidi-baolina nikohizana, ka dia novidian'ny Cardiff City volabe mitentina 17 tapitrisa euros. Nanao veloma ireo mpiara-milalao taminy teo aloha izy tany FCN La Jonelière alohan'ny andraisany ny fiaramanidina hamonjy ny kilioba vaovao hilalaovany.

Teny ambony fiaramandina dia mbola afaka nandefa hafatra izy, fa "hianjera ny fiaramanidina mitondra ahy, fa raha tafavoaka dia manomboka fanazaran-tena aho rahampitso miaraka amin'ny ekipa vaovao, raha afaka 1ora30 ka tsy mahazo vaovao amiko ianareo dia asa raha mety ahita ahy, matahotra mafy aho".

Ny mpanamory faharoa an'ity fiaramanidina ity moa dia nijanona tsy nanainga tamin'ny fotoana farany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.