Baolina kitra: Nidoboka any an-dranomasina ny fiaramanidina nitondra an'i Emiliano Sala

  • mercredi, 23 janvier 2019 13:49
  • Sary nindramina

Ny alin'ny alatsinaina 21 janoary hifoha ny talata, dia tsy hitan'ny radar intsony ny fiaramanidina nitondra an'ity mpilalao baolina kitra malaza Argentin, Emiliano Sala, ao amin'ny FC Nantes ity.

Niala tao Nantes France izy hiazo an'i Cardiff no izao tra-doza nidoboka an-dranomasina Guernesey-Aurigny, ao amin'ny nosy anglo-normandes, teo amin'ny 8ora alina, izay tokony higadona tao Pays de Galles tamin'ny 9 ora alina.

I Emiliano Sala moa dia mpampidi-baolina nikohizana, ka dia novidian'ny Cardiff City volabe mitentina 17 tapitrisa euros.
Nanao veloma ireo mpiara-milalao taminy teo aloha izy tany FCN La Jonelière alohan'ny andraisany ny fiaramanidina hamonjy ny kilioba vaovao hilalaovany.

Teny ambony fiaramandina dia mbola afaka nandefa hafatra izy, hafatra mbola hamarinina raha izy tokoa, fa ny papany no manamafy fa feony izany, fa "hianjera ny fiaramanidina mitondra ahy, fa raha tafavoaka dia manomboka fanazaran-tena aho rahampitso miaraka amin'ny ekipa vaovao, raha afaka 1ora30 ka tsy mahazo vaovao amiko ianareo dia asa raha mety ahita ahy, matahotra mafy aho".

Ny mpanamory faharoa an'ity fiaramanidina ity moa dia nijanona tsy nanainga tamin'ny fotoana farany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.