Kitra: Hatao any Egypta ny dingan’ny famaranana ny CAN 2019

  • mercredi, 09 janvier 2019 08:35
  • Sary nindramina

Taorian’ny nanesorana tamin’i Cameroun ny fampiantranoana ny dingan’ny famaranana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra, hatao ny (15 jona - 13 jolay), noho ny fahataran’ny asa fanamboarana ireo kianja handraisana ny lalao, dia fantatra omaly fa hatao any Egypta ny lalao.

Naneho fahavononana hampiantrano io lalao io koa i Afrika Atsimo fa i Egypta no tapaky ny komity mpanatanteraky ny Kaonfederasiona afrikana amin’ny baolina kitra (CAF).

Sambany amin’ity andiany faha-32 hatao any Egypta ity no ho 24 ireo ekipam-pirenena tonga amin’ny dingan’ny famaranana ny CAN. Sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra ihany koa i Madagasikara no tafita handray anjara amin’izany.

Cameroun no tompondaka farany amin’ny CAN 2017 rehefa nandavo an’i Egypta tamin’ny isa 2 noho 1 tamin’ny lalao famaranana natao tany Ghana. Teo amin’ny laharana faha-3 i Burkina Faso.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.