Kitra - COSAFA Cup 2018 (vehivavy) : Resin’i Afrika Atsimo 2 noho 1 i Madagasikara

  • jeudi, 13 septembre 2018 12:57

Niondrika an’isa 2 noho 1 nanoloana an’i Afrika Atsimo ny solontena Malagasy, tamin’ny lalao voalohany natrehiny amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika Atsinanana amin’ny baolina kitra, sokajy vehivavy na COSAFA Cup 2018 (vehivavy), izay tanterahina ao Port Elizabeth, Afrika Atsimo.

Voafidy ho mpilalao nisongadina nandritra ny lalao, na izany aza, ny mpiandry haraton’ny Barea, Andrianandrasana Verosantatra Diana.

Miisa 12 ny ekipam-pirenena mifaninana amin’ity COSAFA Cup 2018 ity, handimby toerana an’i Afrika Atsimo tompondaka farany. Mitsinjara amina vondrona telo izy ireo, ka ao amin’ny Vondrona A no misy an’i Afrika Atsimo, Botswana, Madagasikara ary Malawi.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.