Tsipy kanetibe: Tonga any Canada ny solontena Malagasy

  • jeudi, 13 septembre 2018 08:41

Tonga soa, omaly, any Desbiens any Canada ihany ireo solontena Malagasy hiatrika ny andiany faha-48 amin’ny fiadiana ny Tompondaka erantany amin’ny taranja tsipy kanetibe olontelo miaraka sy “tirs de précision”, izay hanomboka amin’ity anio ity ary haharitra hatramin’ny 16 septambra ho avy izao.

Misy firenena Afrikana miisa 10 no mandray anjara, nanana olana tamin’ny “visa” avokoa ireo mpilalao avy amin’ireo firenena ireo, anisan’izany ny antsika Malagasy, afa-tsy ny an’i Maroc.

Razafindrainony Beryl Lala Marie no lehiben'ny delegasiona Malagasy, Andriambelosoa Heritiana no mpanazatra. Ny mpilalao kosa dia misy an’i Razafimahatratra Herilantosoa, Rajaobelina Radotiana, Rajaonarison Irénée Marie Victor, Rakotoninosy Taratra

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.