Lomano: Tafaverina ireo atleta niofana tany Chine

  • vendredi, 07 septembre 2018 18:02
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Noraisina tamin’ny fomba mendrika teto Antsirabe omaly ireo atleta 4 mirahavavy, solontenan’i Vakinankaratra niatrika fiofanana nandritra ny dimy volana tany Chine. Avy ao amin’ny klioba Cosra Antsirabe moa izy ireo ka ny namany sy ny ray aman-drenin’izy ireo no nandray azy ireo tamin’izany.

Tamin’ny 24 aprily no niainga ny delegasiona Malagasy nisy azy ireo, nahitana olona niisa 99 niofana tany Chine ka ny 22 Aogositra no niverina.

Tafiditra amin’ny fanomanana ny Lalaon’ny Nosy ity fiofanana tany Chine ity, izay nahitan’ireto mpilomano ireto zava-baovao tena tsy mbola fahitany teo amin’ny fiatrehana ity taranja ity raha ny nambaran’i Tendry, nisolotena azy ireo tamin’ny tatitra.

Raisina ary ho ampitaina amin’ireo iray klioba aminy moa ny traikefa azon’izy ireo raha ny nambaran’Atoa Jean Jacques, mpanazatra azy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.