Rallye du Boeny: Tanterahina manomboka anio eto Mahajanga ny andiany faha-13

  • jeudi, 23 août 2018 19:13
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Mifampitaona eto Mahajanga mandritra ny telo andro ny mpitia ny taranja rallye, mifampikatroka amin'ny 13ème rallye du Boeny amin'ny dingana faha efatra amin'ny fifanitsanana iadiana ny tompondakan'i Madagasikara.

Fiara miisa 30 no mifaninana, ary miandahy miambavy ireo mpandray anjara.

Tamin'ny 1 ora sy sasany tolakandro teo ny fiaingana nanoloana ny Lapan'ny Tanànan'i Mahajanga.

Ankafizin'ireo mpandray anjara ny circuit eto Mahajanga ka izay no nahamaro ireo tonga taty an-toerana.

Karazana fiara samihafa no entin'ireo mpandray anjara mifaninana amin'ity 13ème rallye du Boeny 2018 ity.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.