Kitra- Gothia Cup China: Handray anjara ny AJESAIA U16

  • vendredi, 03 août 2018 18:16
  • Sary CUA

Ny 7 ka hatramin’ny 21 aogositra ho avy izao, no hotanterahina any Chine ity fifaninanana iraisam-pirenena Gothia Cup China ity. Handray anjara ny ekipan’ny AJESAIA latsaky ny 16 taona avy eto Madagasikara.

Nitsodrano azy ireo mba hahomby sy nanome vatsin-dalana ho azy ireo androany, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanànan’Analekely, ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana.

Sambany ny AJESAIA no handray anjara amin’ity lalao iraisam-pirenena Gothia Cup China, hatao any Chine ity.

Firenena miisa 46 no hanana solontena handray anjara amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.