Lalaon'ny mpiasam-panjakana: Fisokafan’ny tournoi ASIEF Toamasina

  • dimanche, 01 juillet 2018 19:06
  • Sary nomena

Tontosa ny sabotsy 30 jona maraina tao amin'ny piscine olympique CRJS Toamasina ny fanokafana ofisialy ny lalao ara-panatanjahantena eo anivon'ny mpiasampanjakana, izay fanatanjahantena fitaizam-batana, tafiditra anaty programan'ny ASIEF na ny Associaton sportive Inter-ministérielle pour l’entretien des fonctionnaires.

Nosantarina tamin'ny matso nataon'ireo mpandray anjara, narahan'ny fianianan'ireo mpitsara ankilany sy ireo mpilalao andaniny fa hanaraka tsara ny fepetra misy.

Ny 07 jolay no hanomboka ny fifaninanana, ka ny baolina kitra sy ny basket, tsipy kanetibe ary ny atletisma no hisy amin'zany.

Sampandraharaham-panjakana miisa 19 no mandray anjara. Fa manomboka ny 26 septambra kosa ny nasionaly atao eto Toamasina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.