Kitra-Amboaran'ny CAF: Tafita ho amin'ny dingana manaraka ny Fosa Junior

  • lundi, 19 mars 2018 07:54
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Tsy afa-bela nanoloana ny ekipan'ny Fosa Juniors avy eto Boeny ny ekipa maorisianina ASPL 2000. Isa 1-0 no nisarahan'ny ekipa roa tonta tamin'ny lalao miverina, omaly alahady 18 marsa, natao teto amin'ny kianja Rabemananjara Mahajanga ity.

Raha efa naharesy tamin'ny isa 2-0 ny ekipan'ny Fosa Juniors Boeny tamin'ny lalao mandroso natao tany amin'ny tanin'ny ny ASPL 2000. Tafakatra amin'ny dingana ampaha 16-ndalana amin'ny amboaran'ny CAF araka izany ny fosan'i Boeny ary mety ho ny ekipan'i Soudan na Mauritanie no hifanandrina aminy amin'izany.

Mbola aty Mahajanga ihany no hanatanterahana ny lalao miverina amin'io.

(Jereo Sary Galerie)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.