Kitra – Fifidianana filohan’ny Ligy: Ao Analamanga no hatao ny latsa-bato ho an’i Vatovavy Fitovinany na Matsiatra Ambony

  • mardi, 16 janvier 2018 16:12

Hotontosaina ato amin'ny Faritra Analamanga ny fifidianana izay ho filohan’ny ligin’ny baolina kitra faritra Vatovavy Fitovinany sy Matsiatra Ambony. Tsy notondroina mazava ny toerana hanaovana ny latsa-bato na dia nofaritana ho ny alarobia 17 janoary 2018 aza ny andro.

Ho fitandroana ny filaminana sy hisian’ny fitoniana no nambara fa antony. Fanintelony no hanatanterahana io fifidianana io rehefa tsy tontosa ny 15 desambra 2017 sy 5 janoary 2018 lasa teo noho ny fanoherana nataon’ireo avy amin’ny fileovana, mandray anjara amin’ny fifidianana.

Samy kandida tokana no neken’ny vaomieram-pifidianana hofidiana na ny an’i Vatovavy Fitovinany na ny an'i Matsiatra Ambony.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.