Basikety: Mpanazatra 13 mianadahy nofanina

  • dimanche, 14 janvier 2018 22:28
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Mpanazatra eo amin’ny taranja Baskety niisa 13 no nofanin’ny Tale Teknika Nasionaly teto Antsirabe tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa manokana tamin’ny klioba FFPRO ka navoaka omaly sabotsy 13 janoary, tao amin’ny Hotel de Thermes no nanaovana izany.

Ity klioba ity no niantoka manontolo ny fikarakarana sy ny sara nahafahana nanao izany raha toa ka ny ligy no tokony ho hanao izany.

Sambany no nisian’ny tranga toa izao, izay tsy nolavin’ny Federasiona satria ho fampandrosoana ny taranja no tanjona.

Azo antoka hoy ity tompon’andraikitra ity fa hitondra fivoarana ho an’ny taranja Baskety eto Vakinankaratra ny nataon’ny FFPRO Antsirabe ka tokony halain’ny faritra hafa tahaka.

Raha ny fihofanana dia nambarany fa nanaraka ny fenitra iraisam-pirenena tanteraka ary nisy ny fanadinana namoahana ny fanamarinam-piofanana ho an’ireo 13 mianadahy ireo.

Raha ny fanazavana netin’i Didy Alpha, mpitarika ny FFPRO Antsirabe dia nanomboka ny 15 novambra ka hatramin’ny 31 desambra 2017 no niofana izy ireo ka 72 ora no faharetan’izany.

Raha ny fanazavana nomen’ny Atoa Razafiarivony Angelo, mpampiofana eo anivon’ny Féderasionan'ny taranja baskety indray dia klioba sambany sy voalohany nahavita nanafatra mpampiofana niantoka ny fampiofanana manontolo ho an’ireo mpanazatra teto Madagasikara ny FFPRO Antsirabe.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.