Universiades: Mpianatry ny ambaratonga ambony 1200 no tonga aty Mahajanga

  • mardi, 19 septembre 2017 12:20
  • Sary Sobika Mahajanga

Fanatanjahantena ifaninanan'ireo mpianatra eny amin'ny ambaratonga ambony, avy amin'ireo oniversite sy ivon-toeram-pikarohana manerana an'i Madagasikara na Universiades, nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny 17 septambra ny andiany fahatelo teny amin'ny Campus Ambondrona.

Mpianatra maherin'ny 1200 no tonga aty Mahajanga mandray anjara amin'ny Universiades hisolo tena ny Faritany misy azy avy.

Hetsika ara-kolontsaina nandraisan'ny mpianatra avy amin'ny oniversiten'i Mahajanga anjara amin'ny maha mpampiantrano azy ireo no nanokafana ny hetsika.

Anisan'ny antoky ny fahombiazana amin'ny fianarana rantovina ny fananana vatana salama, ka izay no anisan'ny handrisihana ireo tanora mpianatra hazoto amin'ny fanaovana fanatanjahantena.

Ankoatra ny nanokafana ny federasiona ho an'ny fanatanjahantena an-tsekoly dia nosokafana tamin'izao andiany izao ihany koa ny federasiona ho an'ny Universiades. Izany no natao dia mba ahafahana mitily sy misafidy ireo manana zava-bita mendrika handrafetana ny ekipam-pirenena.

Taranja 12 no hifaninana amin'izao Universiades izao, ary hisolo tena an'i Madagasikara any Etiopia amin'ny taona 2018 amin'ny Universiades ifaninanan'ny oniversite manerana an'i Afrika ireo tompondakan'i Madagasikara.

Amin'ny 23 septambra vao hifarana ity Universiades andiany fahatelo ity.

 

Commentaires (128)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa