Ambatondrazaka: “Amboara Fihavanana 2017”

  • lundi, 21 août 2017 22:06
  • Sary Sobika Ambatondrazaka

Tontosa ny alahady 20 aogositra, teo amin’ny Kianja Rasolonjatovo ny lalao famaranana baolina kitra “Amboara Fihavanana 2017” andiany faharoa, izay nifaninanan’ny solontenan’ny Kaominina miisa 17 nanomboka tamin’ny volana martsa 2017.

Ny ekipan’ny Kaominina Ilafy no nibata ny amboara, omby matavy, rehefa nandresy ny avy any Didy tamin’ny famaranana sokajy lehilahy.

Nampiavaka ity andiany ity ny fisian’ny fifaninana ho an’ny vehivavy, ka ny ekipan’ny Kaominina ambonivohitra Ambatondrazaka no nibata ny ondry matavy rehefa nandresy ny avy any Ilafy.

Nahazo mari-pankasitrahana avokoa ireo nandray anjara tamin’ity “Amboara Fihavanana 2017” ity.

 

Commentaires (86)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa