Kitra vehivavy: Vaotazon’i Mampikony ny maha tompondakan’ny Ligy Sofia azy

  • dimanche, 06 août 2017 21:58

Tontosa teto Antsohihy androany alahady 06 aogositra ny lalao famaranana fiadiana ny tompondakan’ny ligin’i Soafia, sokajy zazavavy.

Klioba miisa fito no nandray anjara tamin'ny fifaninanana, nitsinjara ho vondrona roa ; tao amin’ny Vondrona A nahitana ny Bealanana 1, Mampikony, Antsohihy 2 ary Bealanana 3 ; tao amin’ny Vondrona B nisy ny ekipan’Antsohihy 1, Bealanana 2 ary Mandritsara.

Nanao lalao famaranana androany ny ekipan’i Mampikony sy Mandritsara. Samy tsy nisy nitoko ny ekipa roa tonta tamin’ny fotoana ara-dalàna. Nivoaka nandresy tamin’ny isa 2 noho 1 ry zareo Mampikony taorian’ny “tirs au but”.

Fanindrony nisesy izao ny ekipan’i Mampikony no tompondakan’ny Ligy Sofia. Tamin’ny taon-dasa dia resiny tamin’ny famaranana ihany koa ny ekipan’i Bealanana.

Androany, taorian’ny lalao famaranana dia torana tampoka ny mpiandry tsatokazo fiandry ny ekipan’i Mandritsara. Diso fanantenana sa aretina ? Niserana fotsiny ihany anefa izany, fa niverina nahatsiaro tena tsara izy avy eo.

 

Commentaires (14)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa