Vangaindrano: Miofana ireo mpitsara sy ho mpanazatra handball

  • lundi, 31 juillet 2017 15:23
  • Sary Sobika Vangaindrano

Nanomboka androany eto Vangaindrano ny fampiofanana omen'ny federasiona ny handball momba ny fitantanan-draharaha sy ho mpitsara ary ho mpanazatra. Tafiditra amin'ny fandaharanasan'ny federasiona handball at school.

Mpandray anjara manodidina ny 50 no miatrika izao fiofanana izao avy amin'ny ligim-paritra Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Atsinanana. Izany hoe: avy any Manakara, Vohipeno, Farafangana, Vangaindrano ary Befotaka Atsimo.

Telo andro ny faharetan'izao fiofanana izao, ka ankoatry ny fampianarana teôrika dia hisy ihany koa fampiharana.

Iraka telo mirahalahy avy amin'ny federasiona no mampanao ny fiofanana aty dia ny Sekretera jeneraly lefitra Randrianarisoa Rolland, ny Tale teknika nasionaly Koko Jacquis ary ny filohan'ny kaomisionan'ny mpitsara Rajaonarisoa Honoré. Mitarika izany kosa ny filohan'ny ligim-paritra Atsimo Atsinanana, Marc Morasata sy Vatovavy Fitovinany, Rajaona Bienvenu.

 

Commentaires (14)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa