Kitra - CHAN 2018 : Tafita ho amin’ny dingana manaraka ny Barea Madagasikara

  • samedi, 29 avril 2017 20:47

Nandresy an’i Malawi tamin’ny isa 1 noho 0 ny Barea androany tamin’ny lalao miverina notontosaina tany Malawi, baolina tafiditr’i Njiva Rakotoarimalala teo amin’ny faha-46 minitra.

Io isa io ihany koa no nisarahan’ny roa tonta teo Mahamasina-Antananarivo tamin’ny lalao mandroso ny sabotsy 22 aprily.

Ireo fandresena in-droa misesy ireo no mitondra ny ekipam-pirenena Malagasy rafetin’ireo mpilalao tsy matihanina, hiadiana ny tapakila ho an’ny Kenya.

I Mozambika no hiandry an’i Madagasikara amin’ny dingana faharoa, lalao hatao amin’ny volana jolay 2017 any.

 

Commentaires (2)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa