Toamasina : Malaza tsy hihinanana ny kianja sentetika

  • mardi, 11 avril 2017 11:02
  • Sary nomena

Vita soamantsara ary efa notokanana ny kianja sentetika eto izay napetraky ny Federasiona iraisam-pirenena momba ny kitra (FIFA) sy ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Ny olana dia tsy vita hatramin'izao ireo foto-drafitrasa manodidina ny kianja.

Ny zava-misy ihany koa dia nofefena ny vavahady miditra ao amin’io kianja io. Na hilalaovana anefa na tsy hilalaovana io kianja io dia tsy maintsy misy fikojana, nefa na ny mpikojakoja aza amin’izao tsy tafiditra ao.

Ny teknisianin’ny FIFA raha tonga teto Toamasina nijery ny asa mikasika ny kianja dia nilaza fa tsy maintsy hilalaovana io kianja io raha tsy izany dia tsy marin-toerana ireo fitaovana na bozaka sentetika izay mipetraka eo ambonin'ilay “tapis”.

Mahazaka 40 ora isankerin'andro ny filalaovana eo amin’io kianja io, fe-potoana ahafahana tsara ampivelarana sy ampiroboroboana ny kitra eto Atsinanana.

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa