Fifaninanana nasionaly karate-do : Norombahan’ny ligin’Analamanga ny ankamaroan’ny amboara

  • dimanche, 18 décembre 2016 16:35
  • Sary Sobika Fianarantsoa

Ny ligin’Analamanga no nibata ny amboara betsaka indrindra tamin’ny fifaninanam-pirenena taranja karate-do izay notontosaina teto Fianarantsoa ny 14 ka hatramin’ny 16 desambra.

11 ny totaliben’izany ho an’io ligy io, 4 no azon’i Vakinankaratra, 4 ny an’ny COSFA, 2 kosa ho an’i Matsiatra Ambony izay nampiantrano.

Tontosa niaraka tamin’izany ireo fanofanana sy fanadinana fitsarana ary fivoriamben’ireo ligy avy amin’ny Faritra 17 nandray anjara.

Tanjona tamin’ity hetsika ity ny fampiharana ireo fitsipika olimpika araky ny fanapahan-kevitra nivoaka tamin’ny lalao tany Rio Brezila farany izay nampiditra ny taranja karate-do ho sehatra ifaninana manomboka amin’ny lalao any Tokyo amin’ny taona 2020.

Nisy arak’izany ireo asa fitiliana ny mpifaninana sangany indrindra mba hoentina miatrika ny fanomanana ireo atleta hisolotena an’i Madagasikara amin’io fotoana io.

Nitarika ny fotoana rehetra teto Fianarantsoa ny filohan’ny federasiona FKM sy mpikambana ao amin’ny vaomiera teknika iraisam-pirenena WKF, Andrianavomanana Solofonirina Barijaona.

Izy indrindra no nanetsika ny rehetra amin’ny fandaminana ny fandaharam-potoana izay nifanojo tamin’ny kongresi-paritry ny antoko HVM Faritra Matsitra Ambony natao teto Fianarantsoa ny sabotsy 17 desambra, andro izay tokony hanatanterahana ny lalao famaranana manontolo.

Tontosa araky ny fanovàna naterak’izany ireo lamina rehetra saingy misy kosa ireo fanofanana sy asa hafa no nakisaka amin’ny fotoana hafa mampety azy.

Any Toliara no toerana hanatanterahana ny fihaonambe nasionaly amin’ny andiany manaraka.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa