Sport

    • jeudi, 04 juillet 2019 11:11

    Copa America: Brezila # Pérou ny famaranana

    Hifandona amin'ny famaranana ny Copa America i Brezila sy Pérou, lalao hatao ao amin'ny kianjan'i Maracana ao Rio de Janeiro amin'ny Alahady 7 jolay 2019. Nanilika an'i Arzantina tamin'ny isa 0 noho 2 i Brezila tamin'ny manasadalana voalohany, resin'i Pérou 3 noho 0 kosa i Chili tamin'ny manasadalana faharoa.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 juillet 2019 11:02

    Kitra - Mondial Vehivavy: Etazonia # Pays-Bas ny famaranana

    Nivoaka nandresy tamin'ny isa 1 noho 0 nanoloana an'i Soeda i Pays-Bas tamin'ny manasadalana natao halina tao Lyon. Niditra tany amin'ny fanalavam-potoana ny ekipa roa tonta vao nisy mpandresy. Hihaona amin'ny famaranana ny fiadiana ny tompondaka erantany amin'ny baolina kitra sokajy vehivavy i Etazonia sy Pays-Bas. Efa in-telo nandrombaka io anaram-boninahitra io i Etazonia, ary izy no tompondaka farany. Tompondakan'i Eoropa farany, roa taona lasa, kosa i Pays-Bas. Hatao ao Lyon - Frantsa amin'ny Alahady 7 jolay izao ny famaranana amin'ity fiadiana ny tompondaka erantany amin'ny baolina kitra vehivavy ity.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 03 juillet 2019 11:53
    • Sary nindramina

    Kitra - Copa America: Resin’i Brezila 2 noho 0 i Arzantina

    Tafita hiatrika ny lalao famaranana amin’ny « Copa America » i Brezila an-dry Thiago Silva, rehefa nandresy an’i Arzantina an-dry Lionel Messi, teo amin’ny manasa-dalana natao halina, tamin’ny isa 2 noho 0. Baolina matin’i Gabriel Jesus teo amin’ny minitra faha-19 sy Roberto Firmino teo amin’ny faha-71. Izay mandresy amin’ny Chili sy Pérou, lalao manasa-dalana faharoa ao Porto Alegre anio alina, no hifandona amin’ny Seleçao Brezila amin’ny famaranana, izay hatao ao amin’ny kianjan’i Maracana, ao Rio de Janeiro, amin’ny alahady 7 jolay 2019 izao.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 03 juillet 2019 11:32
    • Sary nindramina

    No comment

    No comment  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 03 juillet 2019 10:37
    • Sary nomena

    Clotilde Razanajoelina: Renin'ny Barea

    Izy no Clotilde Razanajoelina namorona ny anaran’ny ekipam-pirenena baolina kitra Barea. « Barea » na « Baria », izay karazan’omby gasy any amin’ny faritr’i Marambitsy, Melaky, no narosony tamin'ny fifaninanana nampanaovin’ny fedarasiona malagasy ny baolina (FMF) kitra tamin’ny 2005, fony Ahmad no filohany, hasolo ny « Scorpion » niantsoana ny ekipam-pirenena tamin’izany, Ka nahazoany loka voalohany, 500 000 Ariary tamin’izany ary nitondrana azy fiaramanidina hiakatra an'Antananarivo hakany ny loka. Mpampianatra teny anglisy, mbola amperinasa, ao amin’ny CEG Charles Renel, Mahajanga, i Razanajoelina Clotilde. 60 taona amin'ny volana oktobra i Clotilde, manan-janaka roa mianadahy izy, professeur certifié en anglais ihany koa ny iray, ary manan-jafikely 2, ary eo ampiandrasana ny zafikely fahatelo ao amin'ny hopitaly izy izao. (Sary nomena)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 03 juillet 2019 10:36

    Kitra – CAN 2019: Sambany tafakatra ampahavalon-dalana i Bénin

    Fety be tao Cotonou renivohitr’i Bénin amin’ny nahatafakatra ny « Écureuils », ekipam-pirenen’i Bénin amin’ny baolina kitra, eo amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika. Efa in’efatra tonga amin’ny dingana famaranana amin’ny CAN ny « Écureuils » fa sambany tamin’ity vao tafavoaka tamin’ny vondrona nisy azy, ka tonga amin’ny ampahavalon-dalana, taorian’ny nanaovany ady sahala tamin’i Cameroun, izay tompon’ny Amboara farany, tamin’ny lalao natao halina. Iray amin’ireo ekipa efatra, laharana fahatelo tao amin’ny vondrona nisy azy avy na « meilleur troisième » i Bénin. Hifandona amin’ny « Lions de L’Atlas » an’i Maroc ny « Écureuils » an’i Bénin amin’ny ampahavalon-dalana, hatao ny zoma 5 jolay izao.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 03 juillet 2019 08:38

    Barea: Razanajoelina Clotilde no namorona io anaran’ny ekipam-pirenena baolina kitra io

    Fifaninanana nampanaovin’ny fedarasiona malagasy ny baolina (FMF) kitra tamin’ny 2005, fony Ahmad no filohany, hasolo ny « Scorpion » niantsoana ny ekipam-pirenena tamin’izany no nampisongadina an-dRazanajoelina Clotilde tamin’ireo mpifaninana maro nanerana ny Nosy. « Barea » na « Baria », izay karazan’omby gasy any amin’ny faritr’i Marambitsy, Melaky, no narosony nifaninanana ka nahazoany loka voalohany, 500 000 Ariary tamin’izany. Niantohana ny fiaramanidina nitondrana an-dRazanajoelina Clotilde avy any Mahajanga niakatra tao Antananarivo tamin’ny fanambarana ny vokatry ny fifaninanana sy nanolorana ny loka.
    Lire la suite ...
    • mardi, 02 juillet 2019 23:48
    • Sary nindramina

    Kitra-CAN 2019: 500 000$ ny prime homena ny Barea

    Natao androany tany Alexandrie Egypta ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana amin'ny tambinkarama teo amin'ny Comité de Normalisation pour la Fédération Malagasy de Football sy ny mpilalao 23 anio. Fantatra fa 500 000$ USD ny prime avy amin'ny CAF homena ny Barea, fa rehefa nivory niaraka tamin'ny Comité ry zareo 6 mirahalahy solontenan'ny Syndikan'ny mpilalao dia nanapaka ary natao sonia fa 60% n'ny vola dia ho zarain'ny mpilalao, fa ny 40% dia omen'ny mpilalao ho an'ny Comité hisahanana ny fandaniana izay tsy maintsy atao.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 02 juillet 2019 14:50
    • Sary: MJS

    Tinoka Roberto: Tena akaiky amin'ireo mpilalao ny tenany

    Tonga nihaona mivantana tamin'ireo mpilalaon’ny Barea tany amin'ny trano fisoloana akanjo ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena Tinoka Roberto, taorian'ny lalao ka nandresen’ny ekipam-pirenena malagasy nanoloana ny Super Eagles nizeriana tamin’ny isa 2 noho 0 ny alahady teo. Fihetsika mampiseho fa tena akaiky tanteraka amin'ireo mpilalao ny tenany. Nisy taorian’izay ny fandraisana makotrokotroka nomaniny niaraka tamin'ireo diaspora malagasy ho an'ny Barea tao amin'ny hotely nisy ireto farany. Nandritra ny fotoana nikoranana no nitafa mivantana tamin' ireo mpilalaon'ny Barea sy ny mpitantana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina niarabaha sy nampirisika ireo mpilalao Malagasy ho tonga amin'ny dingana ambony indrindra, sady nampahafataran’ny filoha fa ho avy hanotrona ny Barea ny tenany mandritra ny lalao ampahavalon-dalana, izay hatao ao Alexandrie ny Alahady 7 jolay ho avy izao. Maneho ny fahavononany amin'ny fikarakara sy fanohanana ny Fanatanjahantena malagasy ny fitondram-panjakana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 02 juillet 2019 09:12
    • Sary gasypatriote

    Kitra – CAN 2019: Barea Madagasikara # Léopard RDC

    Fantatra ny adverseran’ny Barea an’i Madagasikara amin’ny lalao ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra. Hifandona amin’ny Léopard Repoblika Demokratikan’i Congo ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny alahady 7 jolay, manomboka amin'ny 7 ora hariva, ora eto Madagasikara ; lalao izay hotanterahina ao Alexandrie, efa niatrehan’ny Barea ny fifanintsanana tao anaty vondrona B nisy azy. Salama vatana avokoa ny mpilalao 23 mirahalahy mandrafitra ny Barea. Vonona ara-moraly, ary anatin’ny fanomanana hiatrehana io lalao io izy ireo. Alefa Barea!!!    
    Lire la suite ...
Page 10 sur 58