Sport

    • lundi, 08 juillet 2019 09:55
    • Sary nindramina

    Kitra – Mondial vehivavy: Noporofoin’i Etazonia fa mbola izy no matanjaka

    2 noho 0 io no nandresen’i Etazonia an’i Pays-Bas tamin’ny lalao famaranana ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra, sokajy vehivavy, natao tany Lyon – Frantsa. Fanin’efatra izao ny Amerikana no tompondaka erantany. (Jereo Sary Tohiny)    
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 juillet 2019 09:31
    • Sary nindramina

    Kitra-Copa America: Norombahan’i Brezila fanin-tsiviny ny Amboara

    Resin’i Brezila 3 noho 1 i Pérou tamin’ny famaranana natao halina tao amin’ny kianjan’i Maracana ao Rio de Janeiro, io fandresena io no nandrombahany ny amboara, ary fanin-tsiviny izao. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 07 juillet 2019 18:11
    • Sary nomena

    Fénérive-est

    Carnaval Fanohanana BAREA androany alahady  
    Lire la suite ...
    • samedi, 06 juillet 2019 12:24
    • Sary: Primatiora

    Primatiora - Mahazoarivo: Nohavaozina mba hanara-penitra ny kianja « Escadron Porté N°01”

    Tafiditra ao anatin’ny fanarenana ny firenena isika izao, ary izay indrindra no nitondrana fanavaozana ity fotodrafitrasa eo anivon’ny tobin’ny Zandarimariam-pirenena “Escadron Porté n°01” eo Mahazoarivo ity, mba hanara-penitra, hoy ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, raha nitokana azy omaly. “Tsy kisendrasendra izao fanamboarana izao, fa ity Toby ity, raha ara-tantara, no voalohany nahorina ka rariny raha apetraka amin’ny toerana maha izy azy, ary inoako fa hamoaka mpilalao matihanina amin’ny taranja baskety, hitondra ambony ny voninahitry ny firenena atsy ho atsy”, hoy hatrany ny Praiminisitra.
    Lire la suite ...
    • samedi, 06 juillet 2019 08:30
    • Sary nindramina

    Atletisma - Lalaon’ny Nosy: Mitohy ny fanazaran-tenan’ireo Atleta Malagasy

    Mitohy hatrany ny fanazaran-tenan’ireo Atleta Malagasy izay handray anjara amin'ny Lalaon’ny Nosy. Miisa 34 ireo Atleta Malagasy hiatrika ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-X hatao atsy amin’ny Nosy Maorisy ny 19 hatramin’ny 28 jolay 2019. Mpanazatra miisa 5 no hanaraka azy ireo any. Anatin’ny fampivondronana ary manoman-tena etsy amin’ny Kianjan’Alarobia ny 21 amin’izy ireo, nalefa any Chine kosa ny 13 ambiny, tafiditra anatin’ny fiaraha-miasan’ny fanjakana Malagasy sy Sinoa. Anisan’ny taranja manan-danja, antenaina hampisongadina ny Malagasy ny atletisma ary andrandraina hahazoana medaly maro indrindra.    
    Lire la suite ...
    • samedi, 06 juillet 2019 08:05
    • Sary: Prezidansa

    Kitra – CAN 2019: 471 ireo mpanohana ny Barea hanainga anio alina

    471 ireo hiainga an-tranindrazana anio alina, hanohana ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny baolina kitra mandritra ny lalao ampahavalon-dalana amin'ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika, hifandonany amin’ny Léopard an’i Repoblika Demokratikan’i Congo. Nasain'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina manokana ny 50 amin' izy ireo, ka anisan'ireo ny Zaza Kanto, ny avy ao amin'ny Akamasoa, ny mpitsoka mozikan'ny Tafika Malagasy, ny « mascotte » Barea, ireo mpilalao taloha avy ao amin'ny ekipam-pirenena, ary ireo solon-tena avy ao amin'ny Club des supporters an'ny Barea. Tafiditra ao anatin'ny sarandalana izay nalohan'ireo mpandeha ny fitaterana azy ireo any an-toerana, ny sakafo sy ny tapakila idirana hijerena ny lalao. Anio sabotsy 6 jolay amin'ny 11 ora alina no hanainga eo Ivato ny fiaramanidina A380 hitondra ireo delegasiona ireo ho any Egypta; ary ny alatsinainy 8 jolay maraina izy ireo no tafaverina eto an-tanindrazana.    
    Lire la suite ...
    • vendredi, 05 juillet 2019 19:46
    • Sary Gasypatriote

    Kitra-CAN 2019: Mandeha ny tsenan'ny sarin'ny Barea

    Hatreny amin'ny Fokontany eny ahitana mpivarotra sarin'ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy amin'ny baolina kitra na Barea an'i Madagasikara. Mandeha ny tsena amin'izao ankatoky ny lalao hifanandrinan'ny Barea amin'ny Léopard RDC ny alahady 7 jolay 2019 izao. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 juillet 2019 22:32
    • Sary nindramina

    Kitra - « Saint-Nazaire Atlantique Football » : « Monsieur Lala » teratany Malagasy no tompony

    Manomboka miditra amin’ny tontolon’ny fandraharahana amin’ny baolina kitra matihanina any Frantsa ny Malagasy. Fantatra izao fa novidian’ilay teratany Malagasy antsoina hoe: Razanajatovo Lalanirina ny « Saint-Nazaire Atlantique Football » na SNAF, klioba baolina kitra amin’ny diviziona fahatelo any Frantsa. Lasa filohan’ity klioban’ny SNAF ity i « Monsieur Lala » araka fiantsoan’ny olona azy, nanomboka tamin’ny 1 jolay 2019 teo. Razanajatovo Lala izao no filohan’ny SNAF, Jérôme Ameline, no filoha lefitra, ary Jonathan-Joseph Augustin, no tale ara-panatanjahantena. Fanambin’i « Monsieur Lala » ny hivoaran’ny kliobany ao amin’ny « National 3 » amin’ny taom-pilalaovana manaraka. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 juillet 2019 20:36
    • Sary nomena

    Razanajoelina Clotilde: Nanome toromarika ny Filoha hitondra azy ho any Egypta, fa tsy afaka ny renin'ny Barea

    Voarain'ny Filoaham-pirenena soamantsara ny hafatra momba ny renin'ny Barea, Razanajoelina Clotilde, ary nanome toro-marika izy ny ampakarana aingana an'i ramatoa Clotilde amin'ny fiaramanidina avy any Mahajanga, ary anamboatra ny pasipôro, fa hiaraka amin'ny Filoham-pirenena i Clotilde ho any Egypta amin'ny fanohanana ny Barea, hiatrika ny ampahavalon-dalana amin'ny fifaninanana baolina kitra CAN 2019. Tsy niandry ela ny tao amin'ny fiadidiana ny Repoblika nampita ny hafatra tamin'i ramatoa Clotilde, fa noho ny naha-terabao ny zanany, izay nodidiana teo am-piterahana, dia niala tsiny mafy tamin'ny Filoham-pirenena ramatoa Clotilde, na dia feno teo aminy aza ny faniriana ny andeha hiaraka amin'ny filoham-pirenena hiazo an'i Egypta. Nampita hafatra taminy moa ny Filoha Andry Rajoelina, amin'ny firariana fahasalamana ho an-janany izay mbola any amin'ny hopitaly, ary niarahaba azy amin'ny fahazoany zafikely, ary nampanatena ny filoha fa tsy maintsy misy fotoana iarahan'i Razanajoelina Clotilde aminy aoriana.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 juillet 2019 11:21

    « Jeux de la Francophonie » : RDC no hampiantrano ny andiany faha-IX

    Tapaka nandritra ny fivoriambe faha-17 ny Filankevitra maharitra ny Frankôfônia (CPF) fa ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC) no hampiantrano ny « Jeux de la Francophonie » andiany faha-IX amin’ny taona 2021. Tokony ho natao tany Nouveau-Brunswick, faritany iray any Canada io lalao io, saingy noho ny antony ara-bola dia nihemotra tamin’ny ora farany izy ireo. Nanome toromarika an’i RDC ny CPF mba hanangana komity nasionaly tendrena amin’ny didim-panjakana, ary koa hanomboka dieny amin’ity taona ity ny fananganana ny toeram-ponenan’ireo mpandray anjara, na « Village » amin’io « Jeux de la Francophonie » io mba ho vonona ara-potoana ny fotodrafitrasa. Tanterahina isaky ny efa-taona ny « Jeux de la Francophonie ». Tao Abidjan, Côte d'Ivoire, ny 21 ka hatramin’ny 30 jolay 2017, no natao ny andiany faha-VIII.  
    Lire la suite ...
Page 9 sur 58