Sport

    • dimanche, 15 septembre 2019 22:45
    • Sary FMMB

    Baskety – N1A: Tompondaka ny GNBC Vakinankaratra sy ny SBBC Boeny

    Tontosa tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny tolakandro teo ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara N1A. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny sokajy vehivavy ny SBBC Boeny rehefa nandresy tamin’ny moka fohy, elanelan’isa ety dia ety, 53 noho 52 ny MB2ALL Analamanga. Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa dia tompondaka ny GNBC Vakinankaratra rehefa nandresy tamin’ny isa 67 noho 65 ny COSPN. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 septembre 2019 19:30
    • Sary nindramina

    Kitra - Coupe de la CAF 2019: TS Galaxy FC 1 # 0 CNaPS Sport

    Resin’ny TS Galaxy FC tamin’ny isa 1 noho 0 ny CNaPS Sport androany, nandritra ny lalao mandroso amin’ny fiadiana ny Amboaran’ny CAF 2019, natao tao amin'ny Mbombela Stadium Nelspruit atsy Afrika Atsimo. Baolina tokana maty teo amin’ny minitra fahatelo tamin’ny fidirana voalohan’ny lalao no nitondra fandresena ho an’ny ekipa mpampiantrano. Nisy baolina matin’ny CNaPS Sport saingy nolavin’ny mpitsara. Eny amin'ny Kianjan'ny Cnaps eny Vontovorona ny lalao miverina amin'ny 27 septambra 2019 .  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 septembre 2019 16:51
    • Sary nindramina

    Kitra - Champions League : Fosa Juniors 0 # 0 TP Mazembe

    Nirava ady sahala samy tsy nitoko ny Fosa Juniors (Madagasikara) sy Tout Puissant Mazembe (Repoblika Demokratikan’i Congo) nandritra ny lalao natao teo amin’ny Kianja Rabemananjara – Mahajanga io tolakandro io. Hatao any Lubumbashi RDC afaka tapabolana ny lalao miverina eo amin’ny roa tonta, tafiditra amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ireo ekipa tompondaka.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 septembre 2019 14:16

    Kitra - Champions League: Fosa Juniors # TP Mazembe

    Tontosaina anio tolakandro ao amin’ny Kianja Rabemananjara Mahajanga ny fihaonana eo amin’ny Fosa Juniors (Madagasikara) sy Tout Puissant Mazembe (Repoblika Demokratikan’i Congo), tafiditra amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ireo ekipa tompondaka.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 septembre 2019 12:57

    Kitra - Coupe de la confédération: TS Galaxy # Cnaps Sport

    Tanterahina anio tolakandro ao amin’ny kianja Mbombela Stadium atsy Afrika Atsimo ny lalao mandroso ihaonan’ny TS Galaxy (Afrika Atsimo) sy ny Cnaps Sport (Madagasikara), tafiditra amin’ny fiadiana ny Amboaran’ny CAF).  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 13 septembre 2019 14:30
    • Sary nomena

    Randrianaina Odon Marius: Voatendry ho Seketera jeneralin’ny Vaomieran’ny kitra misahana ny tanora

    Tafatsangana omaly ny biraon'ny Vaomieran’ny kitra misahana ny tanora « Commission football des jeunes », ka Randrianaina Odon Marius no notendrena ho Sekretera jeneralin’izany Vaomiera izany, eo ambany fiahian'ny Federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF). Mivoha malalaka ho an'ny fikambanan'ny tanora manana klioba, na koa ho an'ireo toeram-panofanana ka liana ho amin’ny fampiroboroboana ny kitra malagasy ny Vaomiera. Eo ihany koa ny fijerena izay azo atao ho an'ireo klioba manana ny sokajin-taona latsaky ny 20 taona. Laharam-pahamehan'ny Vaomiera ihany koa ny famerenana ireny fifaninanam-pirenena eo amin’ny sokajy zandriny ireny. Na dia eo aza izany fanamby rehetra izany dia tsy afa-miala amin’ny fiaraha-miasa amin’ny FMF ny Vaomiera. Efa-taona ny faharetan’ny fe-potoam-piasan'ity Vaomiera ity.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 10 septembre 2019 09:38

    Rallye - Tour de Tana: Fiara telopolo no hifaninana

    Hotanterahina manomboka ny alakamisy 12 septambra izao ny Rallye « Tour de Tana » andiany faha-19. Miisa 30 ireo fiara handray ny fiaingana hifaninana amin’izany.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 05 septembre 2019 19:24

    Kitra-Barea CHAN: Hijanona hanoman-tena eto Madagasikara

    Na efa nanome tsodrano ireo mpilalao hiazo an'i Afrika Atsimo aza dia niverina tamin'ny fanapahan-keviny ka namoaka fanambarana ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra (FMF), fa tsy afaka ny hiazo an'i Johannesburg Afrika Atsimo hiatrika lalao ara-pirahalahiana araka ny fanasan'ny Bafana Bafana ny ekipam-pirenena Malagasy Barea CHAN, noho ny zava-mitranga ao Afrika Atsimo tsy ahazoana antoka ny fandriampahalemana sy ny fiarovana ny mpilalao sy ireo mpanohana. Hijanona hanoman-tena eto Madagasikara ny Barea CHAN hoy hatrany ny fanambarana.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 05 septembre 2019 11:57

    Kitra - Barea CHAN: Handrato lalao ara-pirahalahiana atsy Afrika Atsimo

    Hiazo an’i Afrika Atsimo, hiatrika lalao ara-pirahalahiana amin’ny Bafana Bafana afrikana tatsimo ny ekipam-pirenena malagasy Barea CHAN. Hotanterahina ao Johannesbourg amin’ny 7 septambra 2019 ny lalao. Nitso-drano ny Barea CHAN ny filohan'ny Federasiona malagasy ny baolina kitra, Rabekoto Arizaka Raoul, androany.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 04 septembre 2019 20:01

    Basikety N1A: Fiadiana ny tompondaka nasionaly

    Hanomboka rahampitso alakamisy 5 septambra 2019 ao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, ary hitohy hatramin’ny 15 septambra 2019 ny fiadiana ny tompondaka nasionaly amin’ny taranja basikety, sokajy lahy sy vavy. Nisy androany ny fivoriana teknika ho fiatrehana izany.  
    Lire la suite ...
Page 6 sur 65