Sport

    • lundi, 13 mai 2019 11:01

    Kitra - CAN 2019: Mitohy ny tohana ara-bola ho an’ny BAREA

    Nanolotra vola mitentina 8 000 000 Ariary ny Zanakala FC sy ny ligin’ny baolina kitra Matsiatra Ambony ho fanampiana ny ekipam-pirenena BAREA, izay sambany teo amin’ny tantara no hiatrika ny dingana famaranana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 10 mai 2019 17:47
    • Sary nindramina

    Kitra: Nitarina hatramin’ny 2021 ny hilalaovan’i Bôlida ao amin’ny Paris FC

    Nohalavain’ny mpitantana ny Paris FC hatramin’ny vola jona 2021 ny fe-potoana ilalaovan’i Lalaina Nomenjanahary, na Bôlida araka ny ahafantaran’ny maro azy amin’ny baolina kitra, ao amin’ity klioba mifaninana amin’ny Ligy faha-2 any Frantsa ity. Tamin’ny taona 2016 i Bôlida no nanomboka nilalao tao amin’ny Paris FC. Midika izao fanalavana taom-pilalaovana izao fa mamiratra ary andrin’io klioba io ity mpilalao malagasy ity. 33 taona izao i Bôlida. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 10 mai 2019 17:32
    • Sary nindramina

    David Beckham: Voasazy fa mitondra fiara sady mitelefaonina

    Nosintonina ny taratasy fahazoan-dalana hamily fiara (permis de conduire) ary voasazy tsy hahazo hamily fiara mandritra ny enim-bolana miampy lamandy 870 euros ilay Anglisy mpilalao baolina kitra kalaza, David Beckham. Fampiasana finday sady nitondra fiara mandeha mafy no nanasaziana azy. Niaiky ny fandikan-dalana mifehy ny fifamoivoizana nataony i David Beckham. 44 taona izao ity farany. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 10 mai 2019 16:06
    • Sary nindramina

    « Bolt Mobility » : e- scooter na fitaovam-pitaterana voizin’i Usain Bolt

    Raha teo amin’ny atletisma no nampalaza an’ilay Jamaikana, Usain Bolt, izy rahateo no efa tompondaka erantany amin’io taranja io amin’ny halavirana 100m sy 200m, dia nalain’ny orinasa amerikana ho ambasadaorony amin’ny fanaparitana ny « trottinette » mandeha herinaratra, na karazana scooter mandeha herinaratra izy ankehitriny. Nampitondraina ny anarany mihitsy moa ilay trottinette, atao hoe : « BOLT MOBILITY ». Tanàna vitsivitsy any Etazonia no efa mampiasa io fitaovam-pitaterana io, ary efa ampahafantarina any Frantsa amin’izao. 32 taona i Usain Bolt ankehitriny. Nilalao baolina kitra tany Aostralia izy rehefa nitsahatra teo amin’ny taranja atletisma. Izany tokoa ny hoe, rehefa malaza dia misokatra ho azy ny varavarana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 09 mai 2019 22:01
    • Sary nomena

    Kitra - CAN 2019: Hanolo-tanana ny Barea ny Zanakala FC

    Harotsaky ny Zanakala FC manontolo ho fandraisany anjara amin’ny fanohanana ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina kitra na Barea, hiatrehany ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika hatao any Egypta, ny vola miditra mandritra ny fihaonan’ny Zanakala FC amin’ny AS Adema, lalao hatao ny alahady 12 mey 2019.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 03 mai 2019 20:10
    • Sary nindramina

    Fibatana fonjamby: Taranja amiratan’ny Malagasy

    Noporofoin’ny solontena malagasy tany Le Caïre Egypta nandritra ny fifaninanana Afrikana natao ny 23 hatramin’ny 30avril lasa teo fa taranja tena ahombiazan’ny Malagasy ny fibatana fonjamby. Medaly volamena 06 sy volafotsy 03 no norombahan’ny solontena malagasy tany an-toerana tamin’izany. Tanjon’izy ireo ny lalao Olimpika 2020. Fifaninanana iraisam-pirenena miisa efatra no mbola hatrehin’izy ireo mialoha izany. Tafaverina an-tanidrazana ny alarobia teo ireo atleta avy niatrika ny lalao tany Egypta ireo. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 01 mai 2019 11:55

    CAN 2019: 20 500 Ariary ka hatramin’ny 533 000 Ariary ny saram-pidirana mijery ireo lalao any Egypta

    Nampahafantarin’ny Federasionan’ny kitra egyptiana ny alatsinainy teo ny vidin’ny tapakila hijerena ireo lalao samihafa amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, andiany faha-32, izay hotanterahina any an-toerana ny 21 jona hatramin’ny 19 jolay 2019. Ahafahana ijerena lalao roa voalahatra hatao ao amin’ny kianja iray, ny tapakila iray. Ka ho an’ireo lalao tsy andraisan’i Egypta anjara dia 20 500 Ariary (5 euros), 61 500 Ariary (15 euros) ary 106 600 Ariary (26 euros) ny vidin’ny tapakila iray arakaraka ny toerana.
    Lire la suite ...
    • samedi, 27 avril 2019 10:49
    • Sary: Fiarovam-pirenena

    Ady totohondry: Nomena fitaovana ireo hiatrika ny lalaon’ny Nosy

    Nanolotra aro-tanana (gants) miisa 20 sy aro-loha (casque) miisa 20, ho an’ireo mpanao ady totohondry ny Jeneraly Richard Rakotonirina, Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ho entina miatrika ny lalaon’ny Nosy andiany fahafolo, izay hatao atsy Maorisy afaka volana vitsy. Nantitranterin’ny minisitra fa ady no hatrehina ka mila mitondra medaly volamena mody satria « izany no fomba fiasa rehefa miaraka aminy : mandresy hatrany ». Nanentana ireo solontena Malagasy ihany koa ity Ray mpiahy manokana ny taranja ady totohondry ity ny mba hananan’izy ireo fitondrantena mendrika ka hitondra avo ny voninahim-pirenena. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 27 avril 2019 09:45
    • Sary nindramina

    Emiliano Sala: Maty tamin’ny lozam-piaramanidina, maty tampoka koa ny rainy

    Nindaosin’ny fahafatesana tampoka tao an-tranony omaly alina noho ny fijanonan’ny fo i Horacio Sala, rain’i Emiliano Sala, ilay mpilalao baolina kitra teratany arzantina maty tamin’ny lozam-piaramanidina ny 21 janoary 2019 teo. 58 taona ny dadan’i Emiliano Sala izao nodimandry izao. Raha ny filazan’ny Ben’ny tanànan’i Progreso, any amin’ny 500 km miala an’i Buenos Aires renivohitr'i Arzantina, dia tsy nahatohitra ny alahelo tamin’ny nahafatesan-janany i Horacio Sala, izay niteraka aretim-po ho azy. Mpilalao tao amin’ny FC Nantes Frantsa i Emiliano Sala. Hiazo an’i Cardiff misy ny klioba vaovao hifindrany izy no nidoboka tany an-dranomasina ny fiaramanidina nitondra ity tovolahy ity. Mbola afaka nandefa hafatra tamin'ny rainy izy talohan'ny nanjavonan'ny fiaramanidina tamin'ny radara. Tapabolana taty aorian’ny nitrangan’ny loza vao hita ny faty, tany amin’ny 70 m ambany ranomasina tany amin’ny nosy Guernesey.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 24 avril 2019 13:42

    CAN 2019: Hiatrika lalao ara-pirahalahiana telo ny Barea

    Tafiditra amin’ny fanomanan-tena hiatrehana ny CAN 2019 hatao any Egypta afaka roa volana ireto lalao ara-pirahalahiana telo hatrehin’ny Barea Madagasikara ireto. 2 jona : Madagasikara # Luxembourg 7 jona : Madagasikara # Kenya15 jona : Madagasikara # Mauritanie, lalao hatao any Maroc. Fandraisana anjara voalohany ho an’i Madagasikara amin’ny dingana famaranana ny CAN ity. Vondrona B no misy an’i Madagasikara miaraka amin’i Nigeria, Guinée ary Burundi.  
    Lire la suite ...
Page 5 sur 46