Sport

    • samedi, 25 mai 2019 14:51
    • Sary nindramina

    Sadio Mané: Sady tsy miditra « boites de nuit » no tsy milalao « Playstation »

    Isany mpilalao baolina kitra misongadina any Eorôpa amin’izao fotoana izao ity teratany senegaley ity. 27 taona izao i Sadio Mané, nambarany tamin’ny tafatafa nifanaovany tamin’ny gazety frantsay iray, fa sady tsy miditra « boites de nuit » izy no tsy milalao « Playstation » fa mandany andro izany. Afantony amin’ny filalaovana sy ny fanatsarana ny fahaizamanaony amin’ny baolina kitra ny fotoanany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 25 mai 2019 14:06
    • Sary nindramina

    Lionel Messi: Lasany indray ny kiraro volamena

    Fanin’enina izao ity mpilalao baolina kitra, teratany avy any Arzantina, milalao ao amin’ny FC Barcelone ity, no notolorana kiraro volamena, na « Soulier d'Or », noho ny hamaroan’ny baolina matiny. Nahatratra 36 izany tamin’ity taom-pilalaovana 2018-2019 ity tao amin’ny « Liga » any Espaina. Lionel Andrés Messi Cuccitini ny anarany feno, fa antsoin’ireo namany mpiara-milalao aminy sy ireo mpanohana azy koa hoe : « Leo Messi ». Handray 32 taona izy afaka iray volana eo, teraka tamin’ny 24 jona 1987. Mpampidi-baolina faharoa nanarakaraka an’i Lionel Messi ilay Frantsay, Kylian Mbappé. 33 ny isan’ny baolina matin’ity farany tao amin’ny « Ligy 1 » frantsay nandritra ny taom-pilalaovana vao nivalona iny. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 mai 2019 21:45
    • Sary Njaka

    Baolina kitra: Manohana ny Barean'ny Madagasikara ireo orinasa lehibe

    Tonga nanohana ny ekipa malagasy ny teo anivon'ny BNI Madagascar, ny Jovena, ny Canal plus ny Telma, ny Star ary ireo maro hafa, mba ho fanampiana azy ireo amin'izao dingana lehibe ataon'izy ireo izao.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 mai 2019 10:35
    • Sary nindramina

    Kitra - Mondial 2022: Hijanona ho ekipa miisa 32 no hifaninana any Qatar

    Miandry ho amin’ny Mondial-2026 ny fampifaharana ny fanovana neritreretin’i Gianni Infantino filohan’ny FIFA hampakarana ho 48 ny isan’ireo ekipam-pirenena hiatrika ny dingana famaranana amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra. Tsy ho zakan’i Qatar samirery ny hampiantrano ireo lalao rehetra miisa, lalao 80 raha ekipa 48, raha tsy miaraka amin’ny firenana mpifanolobodirindrina toa an’i Oman na Koweit, toy ny hitranga amin’ny Mondial-2026 izay iraisan’i Etazonia, Kanadà ary Meksika ny mampiantrano azy.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 20 mai 2019 21:13
    • Sary nindramina

    Kylian Mbappé: Mpilalao mendrika ny « Ligy 1 » frantsay ny taom-pilalaovana 2018-2019

    32 ny isan’ny baolina tafiditr’i Kylian Mbappé nandritra ny taom-pilalaovana 2018-2019 niadiana ny tompondakan’i Frantsa « Ligy 1 » amin’ny baolina kitra, izay nanosorana azy ho mpilalao mendrika. 20 taona izao Kylian Mbappé. Voahosotra ho « Meilleur espoir » na mpilalao tanora misongadina ihany koa izy, nandimby an’i Neymar. Isan’ireo 23 lahy nandrafitra ny ekipam-pirenena frantsay nandrombaka ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra natao tany Rosia tamin’ny 2018 ihany koa i Kylian Mbappé.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 16 mai 2019 10:31
    • Sary nindramina

    Kitra - Arabia Saodita: Mpampidi-baolina be indrindra amin’ny « Prince Mohammed League » i Carolus

    Nifarana ny alarobia alina ny fifaninanana baolina kitra diviziona faharoa amin’ny « Prince Mohammed League » any Arabia Saodita, izay hilalaovan’i Andriamahitsinoro Charles Carolus na « Carolus ». 22 baolina matin’i Carolus nandritra ny taom-pilalaovana, ary naha voahosotra azy ho mpamono baolina tsara indrindra.Tafakatra hifaninana amin’ny Diviziona voalohany ny klioban’ny Ohud Médine ilalaovany amin’ny taom-pilalaovana ho avy. 29 taona izao i Carolus. Lohalaharana ny toerana eny ambony kianja. Isan’ireo 23 lahy notsongain’i Nicolas Dupuis, mpanazatra, handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy (Barea) hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika na CAN 2019 hatao any Egypta i Carolus.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 15 mai 2019 22:24
    • Sary: ZP

    Baskety N1A: Notoloran’ny lehibeny vatsin-dalana 06 tapitrisa Ariary ny GNBC

    Sady nahazo tsodrano no notolorana vatsin-dalana mitentina 06 tapitrisa Ariary, avy amin'ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena ary DGSR (Direction Générale de la Sécurité Routière) ireo mpilalao basketin'ny Zandarimaria (GNBC) hiatrika ny lalao fihodinana voalohany amin'ny fiadiana ny Tompondakan'i Madagasika N1A atao any Antsiranana. Miisa 21 ireo mandrafitra ny delegasiona, izay tarihin'i Jeneraly RAPO, niainga andoany hariva hamonjy ity fifaninanana ity.    
    Lire la suite ...
    • mercredi, 15 mai 2019 11:22
    • Sary nindramina

    Kitra – Liga espaniôla: Nifarana ny tantaran’i Antoine Griezmann tao amin’ny Colchoneros

    Nampahafantatra ny klioba nilalaovany ilay mpilalao baolina kitra Frantsay, Antoine Griezmann fa tsy hisalotra ny akanjo mena sy fotsy fanamian’ny Colchoneros intsony izy amin’ny taom-pilalaovana manaraka. Nanamafy izany ny klioban’ny Atlético de Madrid omaly. Tamin’ny 2014 i Griezmann no tonga tao amin’ity klioba espaniôla Atlético de Madrid ity. Efa mahoraka amam-bolana vitsy izay fa dia hilalao ao amin’ny FC Barcelone indray i Antoine Griezmann amin’ny taom-pilalaovana ho avy. « Grizi », « Grizou » na koa « Petit Prince », solon’anarana fiantsoana an’i Antoine Griezmann avokoa ireo. 28 taona izy ankehitriny, ary isan’ireo Frantsay 23 lahy notsongain’i Didier Deschamps nandrombaka ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra ny taona 2018 izy. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 15 mai 2019 11:01
    • Sary nindramina

    Kitra - « Premier League »: Mpanazatra mendrika i Pep Guardiola

    Voahosotra ho mpanazatra mendrika any amin’ny « Premier League » anglisy tamin’ity taom-pilalaovana hivalona ity, i Pep Guardiola. Nihoarany ilay teknisianina alemana Jürgen Klopp, mpanazatra an’i Liverpool. Teratany espaniola i Pep Guardiola, 48 taona ny lehilahy ankehitriny. Mpanazatra ny klioban’ny Manchester City nanomboka tamin’ny 2016 izy. Ny Manchester City izay vao avy voahosotra ho tompondakan’i Angletera tamin’ity taom-pilalaovana ity.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 14 mai 2019 15:28

    Baolina kitra: Nitarina ny fe-potoana iasan’ny « Comité de Normalisation »

    Nohalavan’iny Federasiona Iraisam-pirenena momba ny baolina kitra (FIFA) hatramin’ny volana septambra 2019 ny taom-piasan’ny « Comité de Normalisation » araka ny taratasy nalefan’ny FIFA. Tapitra tamin’ny 12 mey 2019 fe-potoam-piasan’ny « Comité de Normalisation » no anton’io fanitarana io indray. Iraka ampanaovina ity « Comité de Normalisation » ity ny hikarakara ny fifidianana ny filohan’ny Federasiona malagasy ny baolina kitra (FMF) sy filohan’ny ligy, ary hanatsara ny lalàna momba ny fifidianana ireo tomponandraikitra samihafa amin’ny rafitra misy amin’ny baolina kitra eto Madagasikara, mifanaraka amin’ny rafitra iraisam-pirenena. Hisy ny iraka manokan'ny FIFA ho avy eto Madagasikara handinika ny tohin’ny fanomanana ny fifidianana FMF. Ramatoa Atallah Béatrice moa no filohan'izany « Comité de Normalisation » izany izao.  
    Lire la suite ...
Page 4 sur 46