Sport

    • dimanche, 22 septembre 2019 20:05
    • Sary nindramina

    Rugby – Tompondaka erantany: Nibata fandresena i Italia, Irlandy ary Angletera

    Lalao telo indray no vita androany, andro fahatelo, amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny taranja baolina lavalava, tanterahina any Japon. 35 noho 3 no nandresen’i Angletera an’i Tonga. Nivoaka mpandresy tamin’ny isa 47 noho 22 i Italia nanoloana an’i Namibia. 27 noho 3 ihany koa no nisarahan’i Irlandy sy Ecosse. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 22 septembre 2019 17:17
    • Sary nindramina

    Kitra CHAN: Madagasikara 1 - 0 Namibia

    Nivoaka mpandresy tamin’ny isa tokana 1 noho 0 ny Barea an’i Madagasikara nanoloana  Brave Warriors Namibiana tamin’ny lalao mandroso notanterahina tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina androany alahady 22 septambra 2019, hiadiana ny tapakila ho an’ny Cameroun amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ifaninanan’ireo ekipam-pirenena rafetin’ireo mpilalao milalao ao an-taniny na CHAN 2020.
    Lire la suite ...
    • samedi, 21 septembre 2019 19:53
    • Sary nindramina

    Kitra - COSAFA U17 vehivavy: Botswana 6 - 0 Madagasikara

    Niondrika tamin’ny isa mavesatra 0 noho 6 i Madagasikara androany nanoloana an’i Botswana, tamin’ny lalao voalohany natrehiny tatsy amin’ny nosy Maorisy, amin’ny fiadiana ny tompondakan’ny faritra atsimon’i Afrika eo amin’ny baolika kitra, sokajy vehivavy latsaky ny 17 taona (COSAFA U17). Nomontsanin’i Afrika Atsimo tamin’ny isa mavesatra 28 noho 0 kosa ny tovovavin’i Seychelles, izay samy lalao tao amin’ny vondrona B. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 21 septembre 2019 19:39
    • Sary nindramina

    Rugby – Tompondaka erantany: Nibata fandresena i Frantsa, Aostralia ary Nouvelle-Zélande

    Lalao telo no tontosa androany sabotsy 21 septambra 2019, andro faharoa amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny taranja rugby, andiany faha-9 atao any Japon. Nivoaka mpandresy tamin’ny isa 23 noho 21 i Frantsa nanoloana an’i Arzantina. 23 noho 13 no nandavoan’i Nouvelle-Zélande an’i Afrika Atsimo. Nibata fandresena 39 noho 21 ihany koa i Aostralia nanoloana an’i Fiji. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 20 septembre 2019 15:02
    • Sary nindramina

    Rugby – Tompondaka erantany: Japon vs Rosia no nanokatra ny lalao androany

    Tanterahina any Japon manomboka androany 20 septambra 2019 ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny taranja rugby lalaovin’olona 15. Ny fihaonan’i Japon mpampiantrano sy Rosia, ao amin’ny sokajy A, no nanokatra ny lalao androany. Eo amin’ny andiany faha-9 izao ny fifaninanana, izay tanterahina isaky ny efa-taona, ary sambany izany no tanterahina any amin’ny kaontinanta aziatika. Tsy hifarana ity fifaninanana ity raha tsy amin’ny 2 novambra 2019, amin’izay no hahafantarana izay handimby an’ny All Blacks avy any Nouvelle-Zélande, tompondaka farany tamin’ny 2015 tamin’ny andiany faha-8 natao tany Angletera. I Frantsa no hampiantrano ny andiany faha-10 amin’ity fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny rugby ity amin’ny 2023.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 19 septembre 2019 19:56
    • Sary nindramina

    Kitra – Filaharan’ny FIFA: Faha-95 maneran-tany i Madagasikara

    Nahazo toerana iray, ary eo amin’ny faha-95 maneran-tany i Madagasikara, araka ny filaharan'ny ekipam-pirenena maneran-tany navoakan’ny Federasiona iraisam-pirenena amin’ny baolina kitra (FIFA), tamin’ity volana septambra 2019 ity. Faha-21 i Madagasikara aty Afrika, faha-3 aty atsimon’i Afrika, ary voalohany eto anivon’ny Ranomasim-be indianina.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 19 septembre 2019 19:08

    Kitra CHAN: Barea vs Brave Warriors

    Vonona tanteraka ny Barea hiatrika ny lalao mandroso hihaonany amin'ny Brave Warriors Namibiana etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina amin'ny alahady 22 septambra izao. Ny alahady manomboka amin'ny 7ora30 ny fivarotana tapakila ary amin'ny 8ora no hisokatra ny vavahady idirana ao Mahamasina. Izay tafavoaka amin’ny lalao mandroso sy miverina amin’ireto ekipa ireto no hahazo ny tapakila amin’ny dingana famaranana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ifaninanan’ireo ekipam-pirenena rafetin’ireo mpilalao milalao ao an-taniny na CHAN 2020 hatao any Cameroun.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 18 septembre 2019 22:16
    • Sary nindramina

    Nicolas Dupuis: Notendrena ho Tale teknika nasionalin'ny baolina kitra eto Madagasikara

    Sady handray ny fifantenana ireo mpilalao handrafitra ny ekipa nasionaly Barea i Nicolas Dupuis, no handray an-tanana ihany koa ny fampiroboroboana ny baolina kitra eto Madagasikara amin'ny ankapobeny, amin’izao nanendren’ny Federasiona azy izao ho Tale teknika nasionalin'ny baolina kitra eto Madagasikara izao. Nisy androany maraina ny fihaonan'ny filohan'ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra Rabekoto Arizaka Raoul sy Nicolas Dupuis tao amin’ny biraon'ny federasiona tetsy Isoraka, Antananarivo.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 16 septembre 2019 13:16
    • Sary nindramina

    Rallye Tour de Tanà: Nibata fandresena i Fred sy Andry Tahina nitondra Subaru Impreza

    Nifarana omaly ny Rallye Tour de Tanà nokarakarain’ny Asa Tana. Andiany faha-19 ny tamin’ity, 30 ny fiara nandray fiaingana. Niala an-daharana avokoa ny androatokony. Nibata ny fandresena i Fred sy Andry Tahina avy amin'ny klioba ASACM, nitondra Subaru Impreza, narahin’i Rivo sy Ando (FMMSAM - Subaru Impreza). Ny ekipazy Sitraka sy Rado (FMMSAM - Subaru Impreza) no teo amin’ny laharana fahatelo. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 septembre 2019 22:45
    • Sary FMMB

    Baskety – N1A: Tompondaka ny GNBC Vakinankaratra sy ny SBBC Boeny

    Tontosa tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny tolakandro teo ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara N1A. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny sokajy vehivavy ny SBBC Boeny rehefa nandresy tamin’ny moka fohy, elanelan’isa ety dia ety, 53 noho 52 ny MB2ALL Analamanga. Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa dia tompondaka ny GNBC Vakinankaratra rehefa nandresy tamin’ny isa 67 noho 65 ny COSPN. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 61