Francine : In-droa niteraka kamban-droa

  • mercredi, 24 février 2016 21:53
  • Sary Sobika Sambava
Renim-pianakaviana iray no teraka androany alarobia 24 febroary 2016 tokony tamin'ny 4ora maraina tany Ambodivafaho, Kaominina Ambodivoara, tanàna ambanivohitra iray any Sambava. Lahikely ny zaza.

Taorian'izay anefa dia toa mbola mahatsapa zavatra mihetsika ihany ity reny ity ao an-kibony ao. Mbola zaza rehefa notsapaina. Taitra ny mpitsabo ka niezaka saingy tsy tafavoaka ilay zaza faharoa, ka nentina haingana namonjy ny hopitaliben’i Sambava.

Nipaika ny tamin'ny 12ora atoandro, indro tokoa fa mbola nisy zaza iray tao ary tafavoaka soamantsara ihany. Vavikely.
Fanindroany niteraka izao i Francine. Kambana mianadahy ny zanany voalohany, izay efa samy 12 taona amin'zao. Dia izao niteraka kambana mianadahy izao indray.
Efatra mianadahy izao ny zanak’izy sy Jaomisy vadiny. Faly sahirana izy roa, faly fa nahazo zaza etsy ankilany nefa sahirana indray mieritreritra ny fomba hamelomana azy ireo.
Commentaires (6)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.