Antalaha : Saika vaky ny fonjaben’ Ambatoratsy

  • jeudi, 11 février 2016 02:18
  • Photo: Archives net
Gadra efa-dahy no nanao amboletra hitsoaka ny fonja ny tolak’andron’ny alatsinainy tokony ho tamin’ny efatra ora.
Tampoka tamin’ny mpiandry fonja ny fahatongavan’izy efa-dahy nanatona ary avy hatrany dia nisintona tamin-kery ny basy teo ampelatan’ireo mpiandry fonja.
Azon’ireo gadra ireto ny basy saingy tsy hain’izy ireo ny fampiasana azy ka tsy nipoaka.
Rehefa izay dia nisy ny fifampitolomana, nifanosehana ny varavaran’ny fonja ka nisy ny gadra tafatsoaka. Teo no voatery nitifitra ny mpiandry fonja ka maty tamin’izany ny gadra iray, avy ao Besopaka Sambava.
Jiolahy izay ahiana ho nandray anjara tamin’ireo fanafihana mitam-basy nitranga tany Vohémar izay nisy vono olona mihitsy tamin’izany.
Efa mandeha ny fanadihadiana sy famotorana lalina momba ity saika nahavaky ny fonja ity ka ho hita eo ihany avy aiza izao fikotrehana izao.
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.