Mahanoro: Nankahery sy nitondra fanampiana ho an’ireo traboina ny Praiminisitra

  • lundi, 17 février 2020 19:55
  • Sary nomena

Nidina avy hatrany, nijery ny zava-misy sy nankahery ny traboina, tany amin’ny Distrikan’i Mahanoro - Faritra Atsinanana, ny solontenam-panjakana notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny alahady 16 febroary 2020, taorian’ny nandalovan’ny andro ratsy nateraky ny rivodoza Francisco.

Dibo-drano ny tanànan’i Mahanoro, nisy ny rava trano, maro ireo traboina sy tsy manan-kialofana, ary simba ny fambolena.

Nambaran’ny Praiminisitra fa “Tsy maintsy mifanampy isika satria samy Malagasy ». Ankoatry ny fanolorany sakafo ho an’ny traboina tao an-tampon-tanàna, dia nitety ireo trano misy ny traboina tao amin’ny Fokontany Ambilabe, any avaratry ny tanànan’i Mahanoro ny Praiministra. Voa mafy nandritra ny fandalovan’izao andro ratsy izao ity Fokontany ity, ary raha naneho ny hetahetany ny mponina tany an-toerana dia voatonona ny fanamboarana ny CEG Ambilabe, izay rava tanteraka.

Hentitra ny Lehiben’ny governemanta, ny amin’ny tsy maintsy hijerena ny fomba hametrahana fandriampahalemana sy hiarovana ireo toeram-ponenana tafiditra anaty faritra iva, izay nilaozan’ny traboina, sy any amin’ireo toerana mandray azy ireo. Nisy, araka izany, ny mpitandro filaminana nalefa any amin’ireny toerana ireny.

Hojerena, ankoatra izay, ny toerana na trano izay tena simba mba hamaritana haingana ny fanampiana hatao, ary nambaran’ny Praiministra fa ho tonga any Mahanoro ny minisitry ny Mponina izay sady zanak’iny Faritra iny, hitondra fanampiana hafa ihany koa.

Tamin’ny maraina teo dia efa tonga any Mahanoro ny fiarabe iray avy amin’ny BNGRC, nitondra ireo ampahany amin’ny fanampiana; ary efa tonga any an-toerana koa ny sambokely haingam-pandeha, hanamoràna ny famonjena an’ireo olona traboina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.