Rova Antananarivo: Mitaky ny hanajana ny maha « toerana masina » azy ny fianakaviamben'ny Andriana Merina

  • dimanche, 16 février 2020 13:54
  • Sary nindramina

« Toerana masina ny Rova Antananarivo ary ny fanarenana ny Rova Antananarivo sy ireo Lapa rehetra tao (Lapa Besakana, Lapa Tranovola, Lapa Manjakamiadana, Lapa Manampisoa sy ny Lapa hafa rehetra) dia tokony manaraka ny soatoavina sy ny fomba ary ny kolotsaina Andriana Merina, ary tokony haverina amin' ny endriny ivelany sy anatiny taloha izy ireo, ary tsy hampiana zavatra hafa.

Ny tsy Fanarahana izany dia miteraka ozona sy zava-doza eo amin' ny firenena ».

Io no fanambarana nataon’ny Printsy Dr. Ndriana Rabarioelina, avy amin' ny Lahimatoan'Imerina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina sady Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara omaly 15 febroary 2020.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.