Soram-piankohonana: Harindra hitovy avokoa ary hametraka ny lamina vaovao

  • mercredi, 12 février 2020 20:08

Hapetraka ny lamina sy paikady hanomezana soram-piankohonana ho an’ny zanaka malagasy rehetra manerana ny Nosy, ka ahafahana mahafantatra ny Malagasy isambatan’olona raha vao teraka, ary ahafahana mahafantatra ny tsirairay isam-batan’olona. Ny tanjona dia tsy hisy intsony ny zaza malagasy tsy manana kopia na olon-dehibe tsy manan-karatra, na koa ireo voalaza fa manan-karatra maro isaky ny faritra honenany.

Hisy araka izany ny fomba fitantanana vaovao ny rejisitry ny soram-piankohonana amin’ny alalan’ny solosaina ka hanamorana ny fahafantarana ny isan’ny olom-pirenena malagasy, hanamorana ny fitantanana ny raharaham-panjakana izay hifaneraserana amin’ny olom-pirenena tsirairay.

Tafiditra ao anatin’ny tetikady ho entina mametraka ny e-gouvernance izany izay ho entina manavao sy mametraka ho maoderina ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny ankapobeny.

Baiko no nomen’ny Filoham-pirenena ny hifandrimbonan’ny minisitera rehetra amin’ny fametrahana sy fanamorana ny fanantanterahana io tetikasa ho entina mandrindra sy mahafantatra ny olom-pirenena tsirairay avy, ary hanamorana ny fifandraisana amin’izy ireo amin’ny fitantananan-draharaham-panjakana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.