Ambatoboeny: Nanolotra fanampiana ho an’ireo traboina ny Minisitry ny Mponina Naharimamy Lucien Irmah

  • mardi, 11 février 2020 20:36
  • Sary nindramina

Tonga taty Ambatoboeny, Faritra Boeny ny Minisitry ny Mponina, Naharimamy Lucien Irmah ny alatsinainy 10 febroary 2020, nitarika dinik’asa niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra teto an-toerana Nahatratra 176 ny tokantrano rava trano tato amin’ny Distrika Ambatoboeny.

Nanolotra fanampiana ho an’ireo traboina noho ny ranobe nentin’ny andro ratsy ny faramparan’ny volana janoary 2020 ny minisitra.

Kojakojan-tokantrano toy ny « seau », koveta, vilia, sotro sy akanjo miampy fanampi-tsakafo toy ny vary, voamaina, siramamy, menaka, ronono, paty no nozaraina. Ankizy latsaky ny 5 taona miisa 500 ihany koa no nomena koba.

Niazo an'i Marovoay ny minisitra Naharimamy Lucien Irmah androany.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.