Anjahamany-Brickaville: Olona efatra nilatsaham-baratra, zazakely roa taona maty tsy tra-drano

  • mardi, 14 janvier 2020 19:21

Fianakaviana amina tokantrano iray maka aina eo an-tokontany noho ny hafanana no nilatsaham-baratra tampoka tao Tsarahizana, Kaominina Anjahamany Distrikan’i Brickaville ny alatsinainy 30 desambra 2019. Efa-mianaka izy ireo no voa ka maty tsy tra-drano ny zazakely iray vao roa taona, naratra kosa ny telo, izay vehivavy mitondra vohoka dimy volana ny iray, ary rafozambavy sy ny zanany lahy ny roa ambiny.

Mbola tsaboina ao amin’ny hopitaly be Analakininina Toamasina ilay ramatoa bevohoka noho ny hamafin’ny fahavoazany ; efa afaka nody kosa ny roa hafa rehefa avy nandalo fizahana sy nahazo fitsaboana sahaza.

Manao antso avo amin’ireo malalatanana afaka hanampy azy ilay ramatoa fa tena sahirana ara-bola ny tenany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.