Inde: Tsy mahazo miteraka mihoatra ny 02 ny mpiasam-panjakana

  • mardi, 14 janvier 2020 08:21
  • Sary nindramina

Mahatratra 1.34 miliara ankehitriny ny isan'ireo Indianina, faharoa maro indrindra eran-tany aorian'ny Sinoa miisa 1.38 miliara amin'ny mponina maneran-tany eo amin'ny 8 miliara eo.

Hiakatra 1.67 miliara, raha ny tombana, ny isan'ny Indianina, izay mitombo 25 tapitrisa isan-taona, izany hoe mitovy amin'ny isan'ny Malagasy isan-taona ny fiakaran'ny isan'ny mponina ao Inde.

Tsy maharaka ny famokarana sakafo ho an'ny mponina, tsy maharaka ny trano, ny fitaterana, ny fitsaboana, ka napetraky ny fanjakana ny lalàna hamerana ny isan'ny mponina. Ka efa mihatra ny tsy fahafahan'ireo mpiasam-panjakana hiteraka mihoatra ny roa.

Ankehitriny, dia misy solombavam-bahoaka 100 mahery no te hametraka lalàna hanitarana an'io fepetra io amin'ny rehetra, mba hamerana ny zaza teraka, izay arahina fepetra ho an'ireo mbola miteraka ambon'izany, toy ny fanalana ireo fanampiana omen'ny fanjakana, fanesorana ny fiala-tsasatry ny ray niteraka, eny hatramin'ny tsy fahafahana mifidy sy fidiana intsony.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.