Fiarovana ny tontolo iainana: Nanatevina traikefa any amin’ny oniversiten’i Florida - Etazonia i Lalatiana Randriamiharisoa

  • lundi, 07 octobre 2019 14:23
  • Sary nindramina

Miasa amin'ny MNP (Madagascar National Parks) i Lalatiana Randriamiharisoa. Siantifika Malagasy izy, nahazo vatsim-pikarohana PEER Grant an’ny USAID, ary miasa any amin’ny oniversiten’i Florida any Etazonia i Lalatiana mandritra ny telo herinandro.

Mahazo fiofanana fanampiny izy ary miara-miasa amin'ny tarika amerikana hanao tombana ny torohay mikasika ny tetikasany: fomba fanofanana mpilatsaka an-tsitrapo eny anivon’ny fiarahamonina hanampy amin'ny fanangonana torohay momba ny karazana, hanatsarana ny fitantanana ireo faritra voaaro.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.