Université Antananarivo: Aoka ho diovina tanteraka

  • mercredi, 02 octobre 2019 15:45

Matetika izy ity tsy sahy resahina mihitsy satria natao biby fampitahorana ny mpianatra eny amin'ny anjery manontolo hitarika grevy mety ahongana fanjakana.

Nefa kosa, dia mpianatra hofanina hitondra firenena, hitantana orinasa no hofanintsika, ka aleo manana ny tsara.

Ekena fa noho ny tsy fisian'ny fitsinjaram-pahefana sy ny tsy fisian'ny fampianarana matotra any amin'ny Faritra dia miakatra an-drenivohitra ny ankamaroan'ireo tanora afaka Bac.

Ny zava-misy anefa, dia maro ireo tsy mpianatra mipetraka eny amin'ny cité sy campus Universitaire, na Ankatso io, na Ambohipo, na 67Ha. Lasa bizina ny trano, ka misy ny "pas de porte" amidy ary tafakatra antapitrisany maro. Ny jiro sy rano dia miridana toy ny "volan'ny babanao moa izy" hoy ny fiteny. Ny fivarotana toaka, ny asa makorelina, ny boite de nuit efa tsy resahina intsony.

Tsy hita intsony ny maha cité universitaire azy. Ireo tompon'andraikitra mitazam-potsiny, ny tanin'ny Université aza moa dia lasa toerana fanorenana privé, misy ny mpampianatra no maka azy, misy ny olo-tsotra.

Adino izany fahiny mbola nisy ala teny Ankatso, ka na ny hiditra eny aza dia misy gardien manenjika.

Ny lehiben'ny fampianarana, dia efa nihanona fotsiny amin'ny resaka pédagogie sy ny fampianarana fotsiny ihany, ry zareo mpampianatra rahateo sady manana ny université n'izy ireo, no mampianatra any amin'ny privé, ka na tsy mandeha aza ny fampianarana toa zaran'ny sasany aza mba ananany fotoana mampianatra toeran-kafa, ry zareo rahateo manenjika mampianatra ihany koa any amin'ny Faritany, eny hatrany ampitan-dranomasina ny sasany.

Ny resaka LMD aza nanatsotra ny fiainan'izy ireo.

Ny eny Vontovorona polytechnique, dia efa feno gaboraraka ihany koa raha ny trano honenana, tapitra simba tsy misy fanamboarana. Mi grevy lava fa tapaka ny jiro, nefa mpianatra injeniera, tsy mahatakatra manamboatra herinaratra ho azy, na biogaz ho azy.

Lazaina hatrany moa fa tsy misy ny vola. Marina izany, fa ny fako sy ny fanimbana ny toeram-pianarana, ny fambolena voninkazo anatsara ny tontolo iainana tsy misy ezaka akory na ny kely aza, dia ny tany mena famantarana ny polytech hatrany no hita eny amin'ny kiraro, ry be tanimenan'ny Vontovorona indray ireo mena kiraro ireo vao miarakaraka ny samy mpianatra.

Tsy lava ny teniko, nahoana ny Univeristé rehetra any amin'ny Faritany no nahavita nanamboatra ny toeram-pianarana, ny toeram-ponenana ary nandroaka ireo tsy mpianatra intsony, ka nahoana ny Université an'Antananarivo no mijery fotsiny. Roahay ireo tsy mpianatra intsony mipetraka eny Ankatso 1, Ankatso 2, Ambohipo, 67Ha sy ireo toerana an'i Université.

Fehezo ny mpampianatra, fa tsy hita akory izay fikarohana ataony eo, manjary rebirebena amin'ny anarana hoe mpampianatra mpikaroka, sy mpikaroka mpampianatra. Inona no karohina eo.
Omeko tsiny ny manampahaizana, indrindra fa isika zoky nivoaka fianarana, isika mpampianatra ny anjery manontolo. Aiza isika no mangina amin'izao fiainam-pirenena izao? Aiza ireo zavatra ampianarintsika ny mpianatra, tsy voatery ho grevy izany na fanoherana fanjakana, fa nahoana ny SECES no resaka fitakiana karama ihany no ahenoana feo, fa aiza ny soso-kevitra anatsarana ny toe-karena, ny sosialy, ny fandriampahalemana, ny famokarana, ny fitsaboana?

Ny pejy facebook aza no ahitana olona maro mizara fahaizana fitsaboana miainga amin'ny fitsaboana avy amin'ny zava-maniry, fa isika nianatra, mba aiza?

Ka ho marina ve ny teny hoe: "Ny Malagasy tia mampiana-janaka, nefa tia mpitondra tsy nianatra".

Tsy misorona.
Patrick

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.