Ambohipo: Lasan'ny mpanam-bola ny tany nokarakaraina efa ho 50 taona, noravana ny trano

  • lundi, 22 juillet 2019 21:28
  • Sary Gasypatriote

Tamin'ny zoma 19 jolay vao maraina dia voahodidina polisy ny toerana, niditra an-tsehatra ny vadintany, ireo mpiasan'ny mpandrefy tany, ary ireo mpiasa marobe nandrava ny fefy, nanapaka ny hazo sy ny zaridaina, ary nandrodana ny trano, mifanefitra amin'ny cité SEIMAD.

Niditra an-tsehatra ny fokontany, fa dia niala maina fa nanana didy avy amin'ny fitsarana ny vadintany, ka dia tsy nisy ora 4 dia rava tanteraka ny trano.

Ny tany mifanila amin'ny cité SEIMAD dia toerana maitso, ary raha misy aza ny famarotan'ny SEIMAD ireny toerana ireny, dia tokony ireo efa mipetraka sy mikarakara ny tany no anontaniana voalohany raha hividy, fa tamin'ity raharaha ity, raha ny filazan'ny rava trano, dia tsy nisy izany, fa ny SEIMAD aza milaza fa tsy amidy ireny faritra ireny.

Nahazendana, dia hafa no nisoratra tamin'ilay tany rehefa niala tamin'ny SEIMAD ny tany, izay ity farany indray no nisera tamin'ity mpanam-bola ity, ary dia niafara tamin'izao fandravana ny trano sy fakana ny tany nipetrahana efa 50 taona izao.

Efa vita ihany koa ny taratasy fanorenana avy amin'ny Kaominina, ka avy hatrany dia niroso amin'ny fanorenana ity nahazo ny tany ity.

Nilaza ny hitory moa ny nipetraka tamin'ny tany, satria raha ny filazany dia nisy hosoka sy kolikoly avo lenta izao raharaha nakana ny tany sy nandravana ny trano izao. Nilaza ihany koa izy ireo fa hitondra ny raharaha eny anivon'ny Bianco, satria ahian'izy ireo ny tsikombakomban'ny mpiasa eo anivon'ny SEIMAD amin'izao raharaha izao.

Nihaodihaody teo an-toerana moa ny olona heverina fa nahazo izao tany izao, na tsy tokony niatrika izany aza izy raha ny lalàna mifehy ny asan'ny vadintany. Tsy nahazoana ny heviny kosa izao rahahaha izao, satria na ny mpiasa miasa eo aza tsy milaza iza no nahazo izao tany izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.