Fonjaben'Antsohihy: Nivaly ny fangatahana nataon'ny tompon'Andraikitra

  • dimanche, 21 juillet 2019 16:41
  • Sary nindramina

Nahazo fatana sy vilany be manara-penitra avy amin'ireo mpiara-miombonantoka ny Fonja eto Madagasikara, mba hanamorana ny fanomanana ny sakafon'ireo voafonja, izay anisany mahatomombana ny fandriam-pahalemana, ny Fonjabe eto Antsohihy.

Nahitana fahatsarana maro teto amin'ity Fonjabe eto Antsohihy ity hatramin'ny nanendrena an'i RAFALIMARO Lovanekena Sermon ho lehiben'ny Fonja, na vao aingana aza no nandraisany izany andraikitra lehibe izany.

Misaotra ireo tompon'andraikitra isan'ambaratonga ny lehiben'ny Fonja sy ny mpitantana aty an-toerana, satria ny fandriam-pahalemana eo anivon'ny Fonja, dia misy fiantraikany tsara ihany koa amin'ny fandriam-pahalemana aty Antsohihy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.