Tsaratanàna: Nihena ny fakana an-keriny, ny famonoan’olona

  • vendredi, 12 juillet 2019 12:38

Efa nahazoana vokany ny ezaka nataon’ireo mpitandro ny filaminana, taty amin’ny Distrikan’i Tsaratanana, hoy ny Praiministra Ntsay Christian tamin’ny diany taty an-toerana. Nihena ny fakana an-keriny, ny famonoan’olona, ny tsy fifampitokisana teo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana, na dia mbola misy tranga vitsivitsy indraindray aza.

Tsy maintsy mbola hisy ezaka vaovao hatao hoy izy, ary hodinihina tsirairay ny toerana hanamafisana ny fiarovana sy ny vokatra mety ho azo amin’ny fepetra raisina amin’izany toerana izany.

Nanolotra fisaorana ho an’ireo mpitandro ny filaminana izay mandray anjara amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana maharitra ny Praminisitra, nandritra ny fitsidihana rehetra nataony taty an-toerana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.