Lambokely-Morondava: Ala 10ha nodoran'ny olona

  • mercredi, 26 juin 2019 17:48
  • Sary Gasypatriote Morondava

Mandoro ala ireo andian'olona monina ao anaty ala arovana amin'ny alan'ny Kirindy ao Lambokely rehefa tsy avela mamboly tsako sy maka hazo.

Ala 10ha no efa potik'izy ireo farany teo, hazo "palissandre" maro no ripaka, ampahany ireto 50 tratra tao Kirindy teo ampitaomana azy ireto.

Mpiasan'ny tontolo iainana, nanao fisafoana, no nahita azy ireo ka nampandre avy hatrany ny foibem-paritry tontolo iainana sy fampandrosoana maharitra.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.