Ministeran'ny fahasalamana: Notolorana fiara, bisikileta ary kojakoja maro mahakasika ny fitsaboana

  • lundi, 24 juin 2019 16:58
  • Sary Njaka

Ho fanampiana amin'ny tontolon'ny fahasalamana, dia notoloran'ny fanjakana, tamin'ny alalan'ny Filoha Andry Rajoelina fitaovana ny ministeran'ny fahasalamana, toy ny fiara, bisikileta, ary kojakoja maro samihafa momba ny fitsaboana.

Ny Fanjakana nanome fiara hatao clinique mobile, na fitsaboana mitety vohitra, ny mpiara-miombon'antoka GAVI (Alliance Vaccin) sy ny UNICEF, nandray an-tanana ireo fitaovana hafa ihany koa, toa ny vata fampangatsiahana mandeha amin'ny herin'ny masoandro (Frigo solaire).

Notontosaina tetsy amin'ny sekoly mpampihofana mpitsabo, INSPC tetsy Befelatanana ny hetsika androany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.