“I-TOROKA”: Fitorohana tsy mitonona anarana eo anivon’ny Bianco

  • dimanche, 09 juin 2019 15:06
  • Sary nomena

Natao ny zoma 07 jona tetsy amin'ny Carlton Anosy-Antananarivo, ny lanonana ofisialy nampahafantarana ny fitaovana vaovao ”i-toroka”, fitorohana tsy mitonona anarana eo anivon’ny Birao Mahaleotena Iadiana amin’ny Kolikoly (Bianco), izay iaraha-miasa amin’ny tetikasa GIZ avy amin’ny governemanta Alemana.

Nilaza ny praiminisitra Ntsay Christian, ny fametrahana izao sehatra fitorohana izao dia manamafy fa hentitra ny governemanta amin’ny fanoherana ny fahantran’ny vahoaka sy ny firenena, ka teo no nanentanany ny mpiray tanindrazana mba tsy hisalasala na hatahotra amin’ny fampiasàna ny ”i-toroka”, ary indrindra mba hatao araka ny tokony ho izy ny fitorohana, ka dia hitambatra ny hery, na ho toy inona na ho toy inona ny mety ho vokatr’izany.

Nampahatsiahivina fa efa misy birao fandraisana fitarainana eny amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, izay no manaporofo fa ny fiarovana sy fampivoarana ny fananana iraisana dia fomba fijery repoblikana iray, izay tokony hanohana ny fanatanterahana sy ny fampiharana ny politika ankapoben’ny fanjakana, miaraka amin’izay asa rehetra voakasik’izany.

Ho fanamafisana io fahavononan’ny fanjakana hanafoana io resaka kolikoly io dia nanambara ny Praminisitra holaniana tsy ho ela ny rijantenin-dalàna mikasika ny fanagiazana ireo harena azo tamin’ny tsy fahamarinana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.