Trangam-piainana: Zazavavy 14 taona bevohoka dimy volana narian'ny baban'ny zanany

  • vendredi, 31 mai 2019 21:50
  • Sary Gasypatriote Sambava

Avy any Analalava, Faritra Sofia razazavavy no narian'ny baban'ny zanany aty Sambava.

Raha ny filazany dia efa ho iray volana no nialan'izy roa tany Analalava ao amin'ny vohitra atao hoe Befitiana Ambany. Nijanona tao Nosiarina Sambava izy ireo nandritra roa herinandro, ka omaly alakamisy 30 mey 2019 no nanana fikasana ho aty an-drenivohitr'i Sambava izy sy baban'ny zanany ity. Razazavavy aloha no nakana taxi Bajaj dia rangahy manaraka avy aoriana.

Tamin'ny sivy ora maraina no nahatongavany tetsy amin'ny Parcage Antanifotsy, nefa tsy nipoitra ilay lehilahy antsoina hoe Daniel (40 taona) nahabevoka azy sady nitondra azy avy any Analalava.

Ranomaso ny an-dRaherimalala Angela, teraka tamin'ny 06 jona 2005 tao Androhiavy Analalava, tsy mahita izay hitodiana sady mahamay voan'ny tazo.

Efa mandray an-tanana azy ny sampandraharahan'ny mponina aty amin'ny Faritra SAVA.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.